Finoana manao ahoana re no azonao hilazana ny finoanao?
Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Oktobra 2020
MATIO 21.18-22
Matio 21,18 - 22
18 Ary nony niverina maraina hankany an-tanàna Izy, dia noana. 19 Ary nahita hazo aviavy* anankiray teo amoron-dalana Izy, dia nankeo aminy, kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy, afa-tsy ravina ihany; dia hoy Izy taminy: Aza misy voa avy aminao intsony mandrakizay. Dia maina vetivety foana ilay hazo aviavy.[*aviavimbazaha] 20 Ary nony hitan'ny mpianatra izany, dia gaga izy ka nanao hoe: Nanao ahoana re no dia nahamaina vetivety io aviavy io? 21 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany. 22 Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.Mifampitohy amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema ity perikopa anio ity . Ny vahoaka nitsena Azy tao dia nihorakoraka hoe : “Hosana , hosana ho an’ny zanak’I Davida” , kanefa taoriana kelin’izay dia niantsoantso indray hoe : “homboy Izy , homboy Izy”. Mampianatra antsika àry ny Mofonaina anio hoe :
1-Tandremo fa tsy tian’I Jesoa ny fihatsarambelatsihy (and 18-20)
Eo ihany ny fahagagana nahamaina ny aviavy vetivety teo (izay maneho koa fa ho avy ny fotoana hitsaran’I Jesoa ) ,fa ny sary an’ohatra maneho ny Jiosy ihany koa ny aviavy eto : be ravina , mandrobona be kanefa tsy ahitana voany , be fombafomba , fa tsy manam-pinoana ka mandiso fanantenana an’I Jesoa fotsiny . Koa asehon’iJesoa mazava eto fa tsy tia fisehoana ivelambelany izy . Ianao koa , aoka tsy ho fahitana ety ivelany fotsiny na fisehosehoana no hanarahanao an’I Jesoa ka tazanina lavitra dia toa tena kristiana , nefa raha tomorina akaiky tsy ahitana voany na iray aza . Tandremo fa halan’I Jesoa izany . Fotoana indrindra izao handinihantena .
2-Fantaro : Finoana tsy miahanahana no hahefana be (and21,22)
Niteraka fahagagana sy fanontaniana teo amin’ny mpianany ny fahitana io fahamainan’ny aviavy io . Ka namaly azy ireo I Jesoa hoe : “Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana , dia tsy izao natao tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo fa raha hiteny amin’ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe : mifindrà ianao , ka mianjerà any an-dranomasina , dia ho tonga izany “ . Asehon’I Jesoa fa ny finoana tsy misalasala , tsy be fanontaniana ,tsy mbola miroaroa saina momba ny tena na momba ny fampanantenan’Andriamanitra no afaka mamoa . Tsy ara-bakiteny loatra akory ny hoe: hamindra tendrombohitra fa entina maneho fa mahomby ny finoana marina. Aoka ho finoana matoky tanteraka àry ny finoanao . Koa ialao ny fisalasalana .
Fanontaniana :
Finoana manao ahoana re no azonao hilazana ny finoanao? Raha mitady voa aminao iJesoa izao , hahita tokoa ve Izy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM