Finoana eo anoloan’ny sarotra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Septambra 2024
2 Tantara 20.18-23
2 Tantara 20.18-23
18 Dia niankohoka tamin'ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan'i Jehovah koa ka nivavaka. 19 Dia nitsangana ny Levita, taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Koraita, mba hidera an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny feo mahery indrindra. 20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. 22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23 Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.Finoana eo anoloan’ny sarotra
Tao anatin’ny fahaverezan-kevitra sy fahakiviana ny vahoaka Joda. Tonga hanafika azy ny Amonita sy Moabita na dia efa nasian’izy ireo soa aza. Manoloana izany, dia miditra an-tsehatra Andriamanitra ka mampiasa olona ho fitaovam-piadiana.
1- Finoana mampahery (and 20)
Miditra an-tsehatra Andriamanitra ka nandefa ny Teniny mba hampahery ny vahoaka Joda tamin’ny alalan’ny Jahaziela (and 14). Mbola nohamafisin’i Josafata mpanjaka izany raha izy ireo hizotra hiatrika ny ady ka hoy izy: « Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo dia ho tafatoetra hianareo; minoa ny mpaminany dia hambinina hianareo » (and 20). Eo anoloan’ny ady sarotra, eo anoloan’ny fahaverezan-kevitra, horohoro, tahotra, hakiviana, sy famoizam-po dia tsarovy fa mbola ao ilay Jehovah Andriamanitra izay niantso anao. Aza kivy amin’ny fanaovan-tsoa na dia hivadihan’ny olona aminao aza izany fa mbola ao ny Tompo miady ho anao izay miorina marina amin’ny finoana Azy. Tsy ho voahozongozona isika rehefa mifamato-piainana Aminy.
2- Finoana mampandresy
Rehefa nanambara ny mpanjaka hoe: « …minoa ny mpaminany dia hambinina ianareo », ny zavatra nataon’izy ireo dia fiderana an’Andriamanitra. Midika ho fandraisana ny Tenin’Andriamanitra nentin’ny mpamimany izany. Nanome lanja ny fiderana an’Andriamanitra izy ireo teo anoloan’ny ady mahamay izay natrehiny; satria ninoany tokoa izay nolazain’ny mpaminany; ary dia tanteraka ny fandresen’izy ireo, satria Jehovah no miady ho azy ireo. Omen’Andriamanitra antsika izany finoana izany, koa matokia azy ao amin’i Jesoa Kristy Tompo.
Fanontaniana :
Matoky an’Andriamanitra tokoa ve ianao eo amin’ny fiainanao, manoloana ireo ady samihafa izay atrehinao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe