Filazana ny handravana an’i Babylona
Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Septambra 2023
JEREMIA 50.1-5
JEREMIA 50.1-5
1 [Faminaniana ny amin'i Babylona] Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny amin'i Babylona dia ny tanin'ny Kaldeana. 2 Ambaraonareo, eny, torio any amin'ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra! 3 Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa. 4 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak'Isirsely, dia izy mbamin'ny taranak'i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny. 5 Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an'i Jehovah amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.1-Filazana ny handravana an’i Babylona
Mitana toerana lehibe ao amin’ny bokin’i Jeremia manontolo ankoatra an’Israely i Babylona sy ny mpanjakany ary ny anarana hoe : Kaldeana , izay iantsoana an’i Babylona ihany .Avadibadio tsara anie araka izany ny bokin’i Jeremia fa ho hitanao miverimberina ao mandrakariva izany anarana izany . Koa izany no hanasongadinana eto ny hoe : Babylona sy Bela antsoina koa hoe : Bala ary i Merodaka dia ny mpanjakany eto . Azo ambara mantsy hoe: natao toy ny tànan’Andrizmznitrz mihitsy i Babylona miaraka amin’ny mpanjakany sy ny heriny ,raha nandrava sy nanaparitaka ny Jiosy Izy .Rehefa niodina tamin’i Jehovah mantsy ny olony dia foin’Andriamanitra ny hanongotra sy hanjera ny olony tsy ho eo anatrehany ka Babyloniana no nataony fitaovana nanatanteraka izany .Na dia izany aza anefa , indro ny teny faminaniana milaza ny fandravana an’i Babylona satria na izy aza dia tsy marina koa eo anatrehan’Andriamanitra tahaka ireo firenena hafa ihany . Aseho eto araka izany fa tsy hoe : rehefa natao toy ny tànan’Andriamanitra nanatanterahany ny fitsarana ny hafa akory dia mahazo manao izay ratsy tiana atao rehetra .Tsia! Voalaza mazava eto hoe: ambarao , torio , aza afenina ny handravana an’i Babylona .
2-Ny fiverenan’ny sisa avy amin’Israely sy Joda
Ny teny faminaniana milaza ny fandravana an’i Babylona araka izany dia manambara mialoha ihany koa ny hahafahan’ny olona izay nofatoran’ny babyloniana , ary asongadina eto indrindra ny hiverenan’ny sisa amin’ny zanak’Israely sy ny taranak’i Joda izay hitady an’i Jehovah Andriamanitra .
Fanontaniana :
Milaza inona amin’ny olona ny fandravan’ ny Tompo Andriamanitra ny fahavalony ? Inona no takian’izany amin’ny olona ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM