Fibebahana sy Famelombelomana: Ny Fanatrehan’i Kristy sy ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Martsa 2025

Sal 75. 1/ Hira 12: 1/Vavaka/ Mofonaina/Vavaka

Asan'ny Apostoly 3. 17-21
17 Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovanareo izany, tahaka ny mpanapaka anareo koa. 18 Fa izany no nahatanterahan'Andriamanitra ny zavatra nampilazainy ny mpaminany rehetra rahateo, fa hiaretan'ny Kristiny. 19 Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo, 20 ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy, 21 Ilay tsy maintsy horaisin'ny lanitra mandra-pihavin'ny andro fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampilazain'Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin'ny voalohany indrindra.

Rehefa avy niteny tamin’ny vahoaka i Petera ny amin’ny nananganany ilay lehilahy malemy teo amin’ny vavahady (Itsaraendrika) dia niteny tamin’izy ireo hoe:

Ambara mazava tsara eto, fa ny fialana amin’ny fahotana sy ny lalan-dratsy narahin’ireo taranaka teo aloha, no fibebahana tokony hataon’ireto vahoaka izay nanatrika an’i Petera sy Jaona. Ny fiverenana amin’Andriamanitra sy fihainoana izay rehetra ambaran’i Kristy sy ny mpaminany no lalam-pibebahana tokana ho azy ireo. Arahina fihainoana sy fankatoavana izay rehetra lazaina amin’izy ireo mba ho marina ny fiverenana ao amin’ny Tompo, ka hanadiovana ny otany.

Amin’izao andro ankehitriny iainantsika izao, mandrapahatongan’ ny fiverenan’i Kristy dia handatsaka ny Fanahy Masina (andro famelombelomana) Andriamanitra ho an’ny rehetra izay mibebaka sy miova fo. Na dia hisy fihemorana aza amin’ny finoana (Tes 2. 3; 2 Tim 3.1) dia mbola hanome toky Andriamanitra ho amin’ny andro famelombelomana ho an’ireo izay matoky Azy. Ny fanatrehan’i Kristy, ny fitahiana ara-panahy, ny fandatsahana ny Fanahy masina dia ho tonga amin’ireo izay mitady azy tamim-pahatokiana. Miorena tsara ary amin’izay inoanao, tano mafy izay nekenao, aza miova fa ny Tompo tsy hahafoy na hisaraka aminao.

Ahoana ny fanazavanao ny teny hoe: Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andriko ihany?