Fibebahana, Famelan-keloka ary Tsodrano ho an’ny Mpianatra

Mofonaina anio: Talata, faha 18 Martsa 2025

Sal 93.1-5 / Hira 167:1 / Mofonaina / Hira 415: 1

Lioka 24. 44-53
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. 45 Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina. 46 Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo; 47 ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. 48 Ary ianareo no vavolombelon'izany. 49 Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo. 50 Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. 51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. 52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. 53 Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.

Alohan’ny nialan’i Jesoa teo amin’ny mpanara-dia Azy sy nampiakarana Azy any an-danitra dia nampahatsiahiviny ireto:

Raha nirahina ireo mpianatra ho amin’izao tontolo izao dia tsy natao hitory ny famelan-keloka fotsiny fa tsy maintsy nitaky fibebahana koa tamin’ireo mpino izay nihaino azy. Ny fibebahana sy famelan-keloka mantsy no miantoka ny hoavin’ny fiainan’izy ireo ao amin’ny Tompo. Dia ny fialana amin’ny ratsy izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy natao ho an’ny faritra voatokana na voafetra akory ny fibebahana sy ny famelan-keloka, fa ho an’ny rehetra izay atomboka ao Jerosalema. Ry Havana miantso antsika ny Tompo ho amin’ny fibebahana sy famelan-keloka, aza andrasana ela, fa mazava eto ny Teniny; ao Jerosalema aloha, izay vao any an-kafa. Ataovy marina ary ny fibebahanao sy ny famelan-keloka ataontsika mpino

Iraka lehibe ampanaovin’i Kristy ho an’izay rehetra manara-dia Azy, ny hanao ho mpianany ny firenena rehetra. Andraikitra fototra takiana amin’ny Fiangonana ihany koa izany. Ny fitoriana ny filazantsara dia afantoka amin’ny fibebahana sy ny famelan-keloka, ary ny fampanantenana ny amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina (Asa 2.38). Natao ho an’ny rehetra ny antso ary ny mpianatra no vavolombelona ho hitan’izao tontolo izao.

Zava-dehibe tsy azo avela eo amin’ny fiainan’ny mpanara-dia an’Andriamanitra ny tsodrano na fitahiana omeny. Omena ny tsodrano mba hahombiazana amin’ny asa atao (Deo 28.12), ho fanatrehan’Andriamanitra ao anivontsika (Gen 26.3), ary hanomezany hery sy tanjaka ary fanampiana (Efes 3.16; Kol 1.11). Zava-dehibe tokoa ny anjara toeran’ny tsodrano ary zava-mahery hoy ny Ntaolo. Miantso ho amin’ny fibebahana ary ny Tompo, raiso ny tsodrano hahamarina izay atao.

Midika inona eo amin’ny fiainanao ny tsodrano?