Fiarovana sy fitahiana avy amin’Andriamanitra rehefa Izy no eo alohan’ny olony
Mofonaina anio: Talata, faha 09 Jolay 2024
Salamo 68. 7-14
Salamo 68. 7-14
7 Andriamanitra ô, raha nandeha teo alohan'ny olonao Hianao ka namaky ny efitra, 8 Dia nihorohoro ny tany, ary nitaitaika ny lanitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, na iry Sinay iry aza tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely. 9 Ranonoram-pitahiana no nalatsakao tamin'ny lovanao, Andriamanitra ô; ary raha kotra izy, dia novelombelominao. 10 Ny olonao* tamàn-toerana teo; mamboatra ho an'ny ory araka ny fahasoavanao Hianao, Andriamanitra ô.[Heb. bibinao] 11 Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe. 12 Ireo mpanjaka be miaramila dia vaky mandositra; ary ny vehivavy izay mitoetra ao an-trano no mizara ny babo. 13 Raha mandry eo amin'ny vala ianareo, dia ho tahaka ny ela-boromailala miravaka volafotsy, ary ny volony miravaka volamena tsara 14 Raha aelin'ny Tsitoha eo ny mpanjaka maro, dia latsaka ny oram-panala ao Zalmona.Mampiaiky volana ny Isiraely ny fomba fitondran’ Andriamanitra ny fiainan’izy ireo, tsy vao eto ihany, fa teo amin’ny tantarany mihitsy. Hiraina ao anatin’ity Salamo ity izany, ary ahasinkasina eto ary fa raha Andriamanitra no mandeha eo alohan’ny olona, na dia mamaky tany efitra aza dia:
1- Mihorohoro ny tany (and 8a)
Ny hevitr’ity teny hoe « Mihorohoro » ity raha adika faran’izay tsotra, dia hoe mangovitra na matahotra; izany hoe miaiky ny herin’Andriamanitra tanteraka. Azo takarina avy amin’izany fa tsy ny tany fotsiny ihany fa ny mponina eo aminy koa dia samy manaiky ny fahefan’Andriamanitra. Mitaona antsika hatoky ny Tompo izany, fa raha Izy no mandeha eo alohantsika dia tsy misy mahatohitra antsika satria lehibe ny heriny; Tsitoha Izy ka tsy hisy afaka haninona antsika. Moa va tsy izany no nasehon’i Jesoa, raha nilaza ny tenany ho Mpiandry tsara Izy? Raha Izy no arahintsika (Izy eo aloha ary isika avy ato aoriana), dia tsara fiarovana isika!
2- Mitaitaika ny lanitra (and 8b)
Ny teny hoe « Mitaitaika » dia maneho kosa, fa ny voahary manontolo mihitsy, tsy ny tany sy ny mponina eo aminy fotsiny ihany fa miaiky ny herin’Andriamanitra hatramin’ny zava-boahary, koa raha Izy Andriamanitra no mandeha eo alohan’ny olony dia azo antoka ny fiainana be dia be, araka izay nolazain’i Jesoa rahateo. Ny lanitra mitaitaika eto mantsy dia mampahatsiahy ny nilatsahan’ny mana avy any an-danitra fony tany an’efitra, nefa mahalaza ny fanomezan’ Andriamanitra ranon’orana hiantoka ny fahavelomana.
Fanontaniana:
Ahoana ny fahatsapanao ny fihatran’ireo hafatra ireo teo amin’ny fiainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe