Fiandrasana ny fiavian’ny Tompo sy fanamafisana ny finoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Oktobra 2024
2 Petera 3. 11-18
2 Petera 3. 11-18
11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy] 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. 14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.Ity toko fahatelo ity dia mampahatsiahy antsika fa ho avy ny Tompo, ary mampianatra antsika ihany koa ny toetra tokony ananantsika eo am-piandrasana izany koa:
1. Aoreno ny fanantenana (and 13)
« Kanefa isika araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana ». Eto am- piandrasana ny fiavin’ny Tompo isika, dia taomina hahatsiaro sy hihazona ny teny fikasana. Ny tany vaovao sy lanitra vaovao dia midika koa fa miandrandra sy manantena fiainana vaovao isika. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, manantena fiainana tsara lavitra noho izao iainantsika izao, feno ranomaso, feno fahoriana, feno fahadisoam-panantenana izao isika.
2. Mandehana tsy manan-tsiny (and 14)
« Koa amir’izany, ry Malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana » hoy ny Apostoly Petera. Ny hevitry ny teny hoe tsy manan-tsiny eto dia izao, mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra, tsy manao zavatra mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Soratra Masina; ary indrindra indrindra mihazona izay efa nampianarin’i Jesoa.
3. Mihazona ny fampianarana tsy misy kilema (and 17)
« Dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianaro ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo ». Efa nampiomana i Jesoa, fa ho avy ny mpaminany sandoka, ary efa mitranga ankehitriny izany, koa taomina isika hihazona izay efa nampinoana antsika, fa tsy hanaiky ho rebireben’ny fampianaran- diso isan-karazany izay mieli-patrana etsy sy eroa (Mat 24. 23, 26). Tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao!
Fanontaniana
Hatraiza ny fahavononanao fa ho avy ny Tompo
Sampana Sekoly Alahady Foibe