Fiainana Miavaka sy Famelan-keloka Araka ny Tenin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 14 Novambra 2024
Nehemia 5.9-11
Nehemia 5.9-11
9 Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika? 10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany; 11 eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra Vahoaka niverina avy any amin’ny fahababona no voatantara eto. Mbola eo ampamerenana ny laoniny ny tanana izy ireo no mitranga izao fiangarana ara-toekerena izao. Ireo mpanankarena dia nampanao antoka ny fanana’ireo mahantra izay nindram-bola taminy. Misy mihitsy ary ireo nanome ny zanany ho andevo. Tezitra mafy i Nehemia manoloana izany (and.6) ka nananatra mafy azy ireo.
1. Manana fiainana miavaka: (and.9)
Ambaran’i Nehemia fa mijery azy ireo ny fahavalony dia ireo hafa firenena. Fa toa izany koa isika mijery ny ataontsika, izay mivavaka amin’Andriamanitra Fitiavana, ny manodidina antsika ka izay ataontsika no hitsaràny ny Andriamanintsika. Hoy Jesoa <<<Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Mat 5.16)
2. Tapaho ny hevitra anio (and.10)
Tsy hiandry fotoana ela fa izao anio izao no hamotsorantsika ny trosa izay ananantsika amin’olona. Mety hiteny isika hoe tsy anao ny vola ka mora aminao no miteny izany !! Andriamanitra no miteny ka aoka Izy no hitokiantsika. Fa Izy ary efa namela maimaimpoana ny heloka izay vitantsika «Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.» (Kol 3.13)
Fanontaniana:
Inona avy ireo trosa efa navelanao tamin’ireo mpiara-monina taminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe