Fiainana madio sy masina eo anatrehan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Jolay 2024

Deoteronomia 23. 10-15

Deoteronomia 23. 10-15
10 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra. 11 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny. 12 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy. 13 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao; 14 ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao. 15 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.

Voalaza mazava tsara eto ny hoe: « Raha nivoaka hiady amin’ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra … raha misy olona eo aminao tsy madio … dia hivoaka eny ivelan’ny toby izy« . Ny fifadiana ny ratsy dia mariky ny fankatoavana an’Andriamanitra, ary mitondra ho amin’ny fitahiana sy fandresena izany. Ny atao hoe ratsy dia tsotra; izay zavatra rehetra na inona na inona io ka tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra, ary tsy mahafaly an’Andriamanitra. Raha te hahalala ianao hoe ratsy ve ny ataoko, dia anontanio ny Tompo hoe mety aminao ve sa tsia izao ataoko izao.

2. Fahadiovana sy fahamasinana (and 15)

« Fa Jehovah Andriamanitrao no mandeha eo afovoan’ny tobinao … mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao« . Mihasinkasina eto fa Andriamanitra tsy miara-mitoetra amin’ny fahalotoana na inona endrika isehoan’izany na inona, fa mazava ny filazany: « Aoka ho masina ianareo satria masina Aho » (Lev 19. 2). Fa ankoatr’izany koa dia tena mampianatra antsika mihitsy koa ny Soratra Masina fa fahadiovana dia tsy lafiny ara-tsiantifika natao hahasoa ny fahasalamana ihany, fa tena mifamatotra amin’ny fianam-panahy mihitsy koa. Mazava tsara fa tsy miara-mitoetra amin’ny loto Andriamanitra! Koa izay mifandray aminy, dia voatokana ho Azy, Madio!

Fanontaniana

Manao ahoana ny fanombanana ny tenanao manoloana ireo hafatra roa loha ireo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe