Fiainana amin’ny Finoana
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Jona 2021
Mpitsara 11. 30 - 40
Mpitsara 11. 30 - 40
30 Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona, 31 dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany. 32 Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo. 33 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona. 34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy. 35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony. 36 Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao. 37 Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory. 38 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory. 39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely 40 ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza* ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]Fiainana amin’ny Finoana
1- Mitoky amin’Andriamanitra
Jefta dia Mpitsara nahery tahaka an’i Gideona sy Samsona izay efa fantatry ny maro ny tantarany. Rehefa hiady tamin’i taranak’i Amona izy dia nivoady tamin’I Jehovah . Tsy mbola hiditra amin’izay voadiny aloha isika eto fa ny zavatra asongadin’ny tantara amintsika dia izao : tsy dia natoky tena izy raha hiady, satria fantatsika fa olona efa nailiky ny rahalahiny izy no notadiavin’ny rahalahiny indray hiatrika ny ady atao amin’ny taranak’i Amona. Nitodika tamin’Andriamanitra izy ary ny fitantanan’Andriamanitra no nandrandrainy. Manoloana izany dia Jehovah mihitsy no nanolotra ny fahavalony teo an-tànany. Anisan’izay maha -Kristiana ny fahaizana mametraka ny ady eo an-tanan’Andriamanitra. Satria Andriamanitra efa nanome toky hoe: » Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » (Eks 14.14) ary Jesoa koa nanamafy izany : »… indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat 28.20)
2- Mahay mankasitraka:
Mariky ny maha – ,Kristiana ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fanoloran-tena manoloana ny fahasoavana noraisina taminy. Mazava ny antony aneken’Ilay zanany vavy eo amin’ny and.36. »… Satria Jehovah efa namaly ny taranak’i Amona fahavalonao ho anao« . Indraindray dia adinontsika fa isika raha miasa na manao zavatra ho an’Andriamanitra dia mba hahazoantsika sitraka Aminy. Tsia ! isika dia miasa sy manolo-tena na manolotra izay tsara ao amintsika ho Azy , satria efa nomeny antsika maimaimpoana ny famonjeny sy ny fahasoavany. Tsy misy mendrika ny handray ny famonjena isika fa nomeny maimaimpoana izany, satria tia antsika Izy. » Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 58). Raha tsapanao ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy sahy hisafidy izay tsotra sy ratsy ho Azy ianao.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fiainanao ny finoanao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM