Fiainam-baovao ao amin’i Kristy

Mofonaina anio: Talata, faha 22 Oktobra 2024

Efesiana 4. 17-24

Efesiana 4. 17-24
17 [Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy; 18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony, 19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana. 20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy, 21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy, 22 mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [* Gr. olonareo] 23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo, 24 ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]

1. Fiovana lalana tanteraka mihitsy (and 17)

« Mba tsy handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ny jentilisa amin’ny fahafoanan’ny sainy » hoy i Paoly. Ny hevitr’izany dia izao, ilay lalana faleha taloha fony tsy mbola nihaona sy nandray an’i Jesoa dia tsy hizorana intsony mihitsy; raha niankavia iny lalana iny, dia miankavanana kosa izao ny lalam-baovao. Raha lazaina amin’ny teny hafa ihany koa dia izao, fianam-baovao mira lalam-baovao, mifanohitra tanteraka amin’izay mahazatra teo aloha, fiaiņanana tsara lavitra!

2. Fampiharana izay nianarana an’i Kristy (and 20)

« Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy… » izany hoe tsy olona tsy mahalala intsony ka hoe dia hanao jonjorombona fotsiny izao fa efa mahafantatra ny tokony sy ny tokony atao, ka manana safidy mažava ary fanapahan-kevitra hentitra amin’ny hoe izay mifanarana amin’ny maha an’i Kristy ihany no atao, fa tsy hivarilavo indray amin’ny fanaon’izao tontolo izao. Ary ny miverin-dalana no ilazan’ny olon-kendry hoe: « Ny amboa no miverina indray amin’ny loany » (Oha 26. 11).

3. Fitafiana toetra vao (and 24)

« Ary mba hotafianareo ny toetra vaovao…« . Ny olona efa nandray an’i Jesoa dia tonga olona hafa mihitsy, nanjary voahary vaovao mihitsy. Ary miharihary eo amin’ny fiainany fa tsy mila tenenina akory, dia fantatra na amin’ny fiteny, na ny fisainana na ny fihetsika sy ny fitafy. Izany ilay lazain’i Paoly hoe: « ao amin’i Kristy … olom-baovao » (2 Kor 5. 17).

Fanontaniana

Ahoana no ilazanao ny maha olom-baovao anao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe