Feno ny Fanahin’i Jehovah ny mpaminany

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Jona 2017

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina

Mika 5,3 - 8
3 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin'ny herin'i Jehovah. Sy amin'ny voninahitry ny anaran'i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin'ny faran'ny tany Izy. 4 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin'ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin'ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika. 5 Ary handany ny tany Asyria amin'ny sabatra Sy ny tanin'i Nimroda ao an-tanànany* ireo; Ary Izy hamonjy amin'ny Asyriana, Raha tonga amin'ny tanintsika sady manitsaka ato amin'ny fari-tanintsika ireny.[Heb. am-bavahadiny] 6 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin'i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin'ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak'olombelona. 7 Ary izay sisa amin'i Jakoba ao amin'ny jentilisa, Ao amin'ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin'ny biby any an'ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin'ny andian'ny ondry aman'osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy. 8 Aoka haingaina amin'ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.

Vavolombelon’ny Tompo ny Fanahy Masina

Mika 5.3-8

Feno ny Fanahin’i Jehovah ny mpaminany

1-Feno hery ny mpaminany hanambara ny fitsarana

Asan’ny Fanahy Masina ny mampiteny sy mampijoro vavolombelona ny mpaminany Mika . Feno hery avy amin’ny Fanahy Masina hanambara fitsarana an’i jerosalema sy i Samaria izy taonjato VIII talohan’i JK . Hotsaraina noho ny fahotany ny lehibeny sy ny mpitsara ary ny mpisoroana (and4,11) . Eto dia manambara ny fahotan’ireo milaza azy ho mpaminany i Jehovah , mampaniasia ny olona (and5), manaikitra amin’ny nifiny , miantso ady masina . Mitory fiadanana izy nefa mampivily ny vahoakan’ Andriamanitra . Hotsaraina ny mpaminany ireo lainga ka tsy homena fahitana sy fahazavan’ny Soratra Masina intsony (and16).

2-Feno ny rariny sy ny faherezana ny mpaminany

« mba hanambara amin’i Jakoba ny helony sy amin’Israely ny fahotany » ny iraka ataon’i Mika mpaminany eto (and 8) . Ny Fanahy Masina dia tsy mamela ny mpaminaniny hangina eo anatrehan’ny tsy rariny sy ny fahotana . Fahefan’i Jehovah ny mitsara ny mpaminany lainga . Mampirisika sy mampijoro ny mpaminaniny ny Tompo , amin’ny alalan’ny Fana. hy Masina. Fotoana hampijoroana ny mpino ihany koa izao fotoana izao , mba tsy ho mpanara-drian-drano fotsiny manoloana ny firohotan’ny maro amin’ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana ary ny fanompoantsampy izao .

Fanontaniana :

Sahy hitory fitsarana tahaka izany amin’ny mpanapaka sy manao ny marina ve isika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
……………………………………………………………………………………………………………………………..