Fanompoana an’Andriamanitra: fitarihana, fiaraha-miasa, sy fifaliana

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Oktobra 2024
2 Tantara 29.31-36
31 Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo* ho an'i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon'i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana. [Heb. namanareo ny tananareo] 32 Ary ny isan'ny fanatitra dorana izay nentin'ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo. 33 Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman'osy telo arivo. 34 Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan'ny raharaha sy ny nanamasinan'ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona. 35 Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran'ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah. 36 Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin'Andriamanitra ho an'ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.

Misongadina amin’ity mofonainatsika ity fa ny fanompoana an’Andriamanitra dia:

1. Mila mpitarika hendry (and 31)

« Ary Hezekia niteny hoe… » hoy ny fitantarana. Azontsika takarina avy amin’izany fa tena ny mpanjaka mihitsy no mirotsaka an- tsehatra amin’ny fitarihana ny vahoakany hiara-hirona amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy mitaona fotsiny izy eto, fa izy mihitsy no tomponantoka sy tompomarika amin’ny fanaingana ny vahoaka hanamasina ny tenan’izy ireo ka mba hahazoan’izy ireo koa manatona sy mitondra fanati-pisaorana ho an’i Jehovah.

2. Mila fiaraha-miasa (and 34)

« Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny ». Na ny Levita na ny Mpisorona dia samy taranak’i Levy, saingy ny taranaka avy amin’i Arona ihany no mpisorona. Samy manana ny raharahany manandrify azy ireo avy izy. Ny hitantsika eto dia izao, na dia samy manana ny zara fanompoany aza izy ireo, dia mifanampy sy mifanome tanana raha vao ny fanompoana an’Andriamanitra no resahina. Tokony alaintsika tahaka izany, ka tsy hisy hihevi-tena ho mahavita irery, fa hahatsiaro kosa fa azo atao hatrany ny miara-miasa, ary mahomby kokoa!

3. Loharanom-pifalian’ny vahoaka (and 36)

« Ary faly i Hezekia sy ny vahoaka rehetra… » hoy ny fiafaran’ny tantara eto. Ny mahafaly eto dia satria vita ny fanadiovana ny Tempoly. Kanefa ihany koa tanteraka ny fanompoana! Raha aravona izay rehetra voalaza dia izao mampiombona ny vahoaka ny fanadiovana ny tempoly, ary mahita fifaliana ny vahoaka raha ny mpanjaka no mety ho modely voalohany, mitarika azy hanompo an’Andriamanitra.

Fanontaniana

Manao ahoana ny fanompoanao an’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe