Fanoloran-tena sy fanavaozana ny sain’ny Kristiana

Mofonaina anio: Talata, faha 29 Oktobra 2024

Romana 12.1-2

Romana 12.1-2
1 [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristiana] Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy* mety hataonareo izany. [* Na: fanompoam-pivavahana] 2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka].

1. Hanolo-tena ho an’Andriamanitra (and 1)

« Koa amin’izany, mangataka aminareo aho ry rahalahy, noho, ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. » Fanoloran-tena ho an’Andriamanitra no ampirisahan’i Paoly Apostoly ny Kristiana tao Roma. Itaomana antsika rehetra ihany koa izany, tsy vola aman-karena, tsy zavatra na fananana no andrasan’ny Tompo amintsika, fa ny tenantsika no fanatitra velona ankasitrahany. Ny fanontaniana dia izao, moa tena manolotra ny tenantsika manontolo ho an’Andriamanitra tokoa va isika, sa ny ampahampahany amin’ny fiainantsika ihany no atolotsika ho azy fa ny ampahany dia heverintsika fa antsika ihany?

2. Tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao (and 2)

« Ary aza manaraka ny fanaon ‘izao tontolo izao, fa miovà amin’ny Janavaozana nу saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina« . Lalana hafa mihitsy noho ny an’izao tontolo izao ny lalantsika, fomba hafa mihitsy noho ny fomban’izao tontolo izao no fombantsika, fiteny hafa mihitsy noho ny fitenin’izao tontolo izao ny fitenintsika. Tsy isika no mianatra na maka tahaka amin’izao tontolo izao, fa izao tontolo izao no tokony hianatra sy haka tahaka amintsika. Koa andeha hihavao, hiova fomba fijery ka tsy ho mpanara-drenirano fotsiny! Tsy miray petsapetsa amin’izao tontolo izao isika!

Fanontaniana

Mby aiza ianao manoloana ireo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe