Fanoharana ny amin’ny mpamafy

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Aogositra 2022
Marka 4.10-20
10 Ary raha tao amin'ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin'ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy. 11 Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin'ny fanoharana; 12 mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). 13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? 14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny. 15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. 16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; 17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, 19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.

Ity fanoharana ity no nampiasain’i Jesoa hanambarany ny fomba fandraisan’izao tontolo izao ny Filazantsara. Ireto fahamarinana ireto no azo ambara amin’izany :

1 Ny fiovam-po sy ny famoazana dia miankina amin’ny fomba andraisana ny Tenin’Andriamanitra (and.14)

2- Ahitana fomba isankarazany eo amin’ny fomba fandraisan’izao tontolo izao ny Filazantsara.

Misy mandre fa tsy hahafantatra akory ny hevitry ny teny (and.15), ny hafa indray hino ny amin’ny famonjena nefa mbola lavo ihany any aoriana (and.16-19). Nefa hisy koa ireo izay hino ny amin’ny famonjena, haharitra ka hamoa amin’ny endrika samihafa (and.20)

3- Ny fahavalon’ny Tenin’Andriamanitra dia Satana, ny fiahiana ny zavatr’izao tontolo izao ary fahafinaretana (and.15,19)
Ambaran’i Jesoa eto fa toe-po tsy mitovy no tsy mampitovy ny fandraisan’ny olona ny hafatry ny fanjakan’Andriamanitra. Ambaran’i Jesoa fa izay rehetra mihaino ny hafatra tokoa ka mino sy manoina izany dia hamoa be dia be. Tano mafy ary ny finoana amin’ny fandraisana ny tenin’ny vaovao mahafaly fa hisy vokatra be omen’ny Tompo antsika

Mba anisany iandrasan’ny Tompo vokatra ve ianao eo amin’ny asa fanompoana Azy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM