Fanetren-tena mampiavaka ny olon’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 05 Desambra 2024
1 Petera 5,5 - 9
5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera] 6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22). 8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.Fanetren-tena mampiavaka ny olon’Andriamanitra:
1- Mandrindra ny fihavanana
Miara-miaina ao anatin’ny fiarahamonina ny olona araka ny sokajin-taonany. Mitaona ny tanora noho izany i Petera mba hanaiky ny loholona. Fanekena manoloana ny fitenenana, fananarana, fitarihin-dalana. Manana ny traikefa amin’ny fiatrehana ny fiainana ny loholona. Noho izany dia antoka ahafahan’ny tanora miatrika ny ho avy ny fahaizana manetry tena sy mihaino; ny fahaiza-manaiky sy manaja azy ireny. Na dia manana ny tanjaka sy ny fahalalana aza ny tanora, dia mahalala ny hevitra mahasoa kosa ny loholona. Ny faneken’ny tanora hihaino dia mahasoa azy, sady mampirindra ny fihavanana eo amin’ny samy zanak’ Andriamanitra miara-miaina ao amin’ny tontolo iray.
2- Ahazoana matoky an’Andriamanitra
Miatrika ny fiainana ny olona, tsy maintsy misy toe-java-tsarotra samihafa atrehina. Mazava ny torolalana, dia ny fahatokiana an’Andriamanitra eo anoloan’ny fanahiana sy ny tebiteby. Tsy ny herin’ny tena na ny fahalalana no ahitana fahombiazana fa ny fanafoanana ny maha izy azy ny tena ka miantoraka sy miantehitra tanteraka amin’ Andriamanitra. Ny fivavahana mbamin’ny fampiorenana ny finoana no ahazoana mandresy ny faminganana ataon’ny devoly. Tarihina noho izany isika mba ho tonga olona mpino miaina amin’ny fanetren-tena; manome toerana feno ny finoana ka hifikitra mandrakariva amin’Andriamanitra, hahazoana mandresy amin’ny fotoan-tsarotra.
Fanontaniana:
Lazao ireo toetra mampiavaka ny tanora ka tsy ahafahany miaina amin’ny fanetren-tena. Inona no tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe