Fanendreny sy fanirahany mpiandry mahatoky
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Aprily 2023
EZEKIELA 34.20-31
EZEKIELA 34.20-31
20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia. 21 Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany; 22 dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany. 23 Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy. 24 Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany. 25 Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza. 26 Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra. 27 Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy. 28 Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy. 29 Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony; 30 ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo. 31 Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.Toe-javatra iray hain’ny olona loatra ny tontolon’ny fiandrasana ondry , satria hatrany am-piandohana dia isan’ny fihariam-pivelomana naha-izy azy ny olona ny fiompiana , ary izany zavatra hain’ny olona loatra izany indrindra no nampiasain’Andriamanitra hanehoany ny fifandraisany amin’ny olona mba tsy ho sarotra amin’ny olona ny fifandraisana Aminy .Araka ny itanteran’ny Soratra Masina azy anefa dia tsy mirindra ho azy amin’izao akory ny zava-misy ao amin’izany sehatry ny fiandrasana ondry izany satria notsinotsinoavin’ny mpiandry ondtry ka nijaly sy nitondra faisana mafy . Manoloana izany dia hamonjy ny ondriny Andriamanitra amin’ny alalany .
Fanendreny sy fanirahany mpiandry mahatoky
Tena sarotra ny toe-javatra iainan’ny ondry satria tsy miraharaha ny asa fiandrasana mihitsy ny mpiandry ka lasa milomano ny ondry ,rava ny ahi-maitso hohanina sy rano hosotroina ,ny ratsy ataon’ny fahavalo sy ny bibidia koa dia tsy hita holazaina intsony .Nanapa-kevitra ny Tompo araka izany fa hanendry mpiandry vaovao azo antoka ho famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny ondry ,handrava izay mety ho endriky ny fahavalo rehetra ,hampanjaka ny fandriampahalemana mba hanatsarana ny fiainan’ny ondry indrindra .
Hanome fahafahampo amin’ny filàn’ny olona ny Tompo
Hanome ranonoram-pitahiana mivatravatra Aho , hoy ny Tompo . Fantantsika fa raha tsy misy ny rotsaka orana dia ho maina ny tany , ary hisedra fahasahiranana mafy ny zava-boahary rehetra ,fa raha hanome ranonoram-pitahiana ny Tompo dia hahavokatra ny tany ka tsy hijaly ara-tsakafo ny ondry .
Fanontaniana:
Iza no antsoin’ny Tompo hoe : ondriny ? Ahoana no fikarakarany ny ondriny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM