Fandrosoana amin’ny finoana sy tsy fiverenana amin’ny fahotana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Oktobra 2024
Hebreo 6.1-6
Hebreo 6.1-6
1 Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra, 2 ary fampianarana ny amin'ny fisasana maro sy ny fametrahan-tanana, ary ny fitsanganan'ny maty sy ny fitsarana mandrakizay. 3 Ary izany no hataontsika, raha avelan'Andriamanitra. 4 Fa izay efa nohazavaina indray mandeha sady efa nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra sy efa nandray ny Fanahy Masina 5 ary efa nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy, 6 nefa nihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin'ny fibebahana, satria manombo ny Zanak'Andriamanitra indray amin'ny hazo fijaliana ka manao Azy ho fahamenarana.1. Tokony handroso ho amin’ny lalina isika (and 1)
« Koa aoka hilazaontsika ny abidiam-pianarana ny amin’i Kristy, fa aoka hiroso ho amin’ny tanteraka isika… » hoy ny Soratra Masina. Tian’ny mpanoratra hazava amintsika fa tsy tokony hijanona ho zaza omena ronono hatrany amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy isika, ka tsy hitombo fa hianona fotsiny amin’izao, fa tokony handroso ho afaka mitsako kitoza kosa. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia izao, raha oharina amin’ny fanaovan-trano, dia tsy tokony hijanona amin’ny fototra fotsiny, fa hampiakatra ny rindrina, ny rihana, hametaka varavarana, handoko…
2. Tsy miverin-dalana manota intsony isika (and 4-6)
« Fa izay nohazavaina indray mandeha … nefa mihemotra, dia tsy azo havaozina indray ho amin’ny fibebahana satria nanombo ny zanak’Andriamanitra indray tamin’ny hazofijaliana ka manao Azy ho fahamenarana. » Mampieritreritra ireto andininy ireto, fa mampita amintsika mihitsy hoe, ny fiverenana indray amin’ny fahotana kanefa efa mahalala izao fa tsy mety izany dia mahavery antsika, ary mampatahotra aza, satria tsy ny olona tsy mahalala akory ny voaresaka eto, fa ny olona efa nandray an’i Jesoa, dia niroso tamin’ny lalana, kanefa nitankemotra. Mavesatra dia mavesatra mihitsy ny hoe, nanombo indray ny zanak’Andriamanitra amin’ny hazofijaliana. Tsarovy izany, fa isaky ny manota ianao, indrindra moa efa fantatra izao fa ratsy nefa ikirizana dia mamantsika an’i Jesoa, ary toa mamerina Azy hampahoriana indray! saino ihany ny atao!
Fanontaniana
Manao ahoana ny fandrosoanao sy ny tsy fiverenan-dalanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe