Fandresena ahazoam-pamonjena

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Novambra 2020

MATIO 15.21-28

MATIO 15.21-28
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin'ny fari-tanin'i Tyro sy Sidona. 22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin'izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak'i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin'ny demonia loatra. 23 Fa Izy tsy namaly teny azy. dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika. 24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. 25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho. 26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. 27 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany. 28 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin'izay ora izay.

Fandresena ahazoam-pamonjena

1-Mahereza mangataka

Vehivavy iray dodona sy maika noho ny zanany marary no hita manatona an’i Jesoa eto . Ny and 22 sy ny 23 dia ahitantsika fa tsy nisy niraharaha ny antsoantsony . Ny mpianatry ny Tompo moa dia nangataka ny handroahana azy . Mafy ny nanjo ity vehivavy ity , fa ny zanaka marary nilaozana , ilay noheverina hamonjy toa naneso ka voatonona hatramin’ny firazanany ny mpianatra nandroaka . Tsy ampy an-dravehivavy ny antsoantso, tsy nahoany ny eson-teny ka nampiany fiankohofana teo amin’ny Tompo . Rehefa izay dia mbola nohariny tamin’ny amboakely indray izy. Ny olona rehetra nanodidina angamba dia niteny hoe : tsy mahalala tsy tiana koa ity ramatoa ity .Tsy kivy izy fa nekeny ny ho toy ny amboakely . Ny faharetantsika mivavaka no tanjon’ny Tompo amin’izao perikopa izao (Rom 12.12) . « Fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (Matio 24.13)

2-Reseo lahatra i Jesoa

Andriamanitra dia mahery , Tsitoha ka tsy misy maharara ny tiany hatao . Tsy misy mahafehy izay sitraky ny fony , kanefa eto dia hitantsika fa resy lahatra i Jesoa . Mampahatsiahy ny tantaran’i Jakoba izany ka nitolomany tamin’Andriamanitra (jereo Gen 32) . Aseho eto amin’ity tantara ity fa ny fandaharan’ilay vehivavy ny tenany teo anatrehan’i Jesoa ho tahaka ny amboakely miandry sombimofo dia naharesy an’i Jesoa ka nisehoan’ny maha- Andriamanitra be famindrampo Azy . Ny mpanota feno fanetrentena sy mahery mivavaka dia haharesy ny fon’Andriamanitra feno fiantrana na dia hitany fa mpanota aza isika . Mila mihevitra izany isika , mila mahay mibebaka marina , sao ho tanteraka amintsika ny Teny hoe : « ...ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra » (Matio 21.31b)

Fanontaniana :

Finoana manao ahoana no entinao mivavaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM