Fandalinana nyFilazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Desambra 2019
Matio 6,19 - 34
19 Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. 20 Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra. 21 Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao. 22 Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. 23 Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany! 24 Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna* ianareo.[*Mamôna = harena] 25 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana? 26 Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? 27 Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray] 28 Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia] 29 nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny. 30 Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana? 31 Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? 32 Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. 33 Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. 34 Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.Matio 6.19-34
Ity fampianarana ity
dia milaza ny olona mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra.
1-Mifantoka
amin’Andriamanitra izy fa tsy amin’ny zavatry ny tany (and19-21)
Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny harena. Vokatry ny tsy
fatokiana an’ Andriamanitra dia lasa ny ezak’olombelona no nibahana . Misy anefa ny fahavalo
mandrava . Ny vahaolana aroson’i Jesoa
dia : mihary harena any an-danitra
, matoky ny fitantanan’
Andriamanitra isanandro , mametraka azy ho laharam-pahamehana dia kofehy manara-panjaitra ny sisa.
2-Mianina amin’ny
Tompo tokana ihany izy (and22-24)
Ny maso dia
iankinan’ny aina , natao hibanjinana an’i Jesoa Kristy (Heb 12.2) sy ny Voninahitr’ Andriamanitra izy . Momba ny
vola : natao ho mpampiasa ny vola
ho an’ Andriamanitra isika fa tsy hotantanan’ny vola hiala amin’Ilay tena
tompony dia ny Raintsika any an-danitra.
3-Matoky an’
Andriamanitra feno ka tsy resim-panahiana izy (and 25-34)
Ny fatokiana feno sy fiankinana amin’ Andriamanitra no lesona tian’i Jesoa hiainan’ny mino . Ny fanahiana dia toetry ny kamboty
zatra miahy tena , ny tsy matoky dia toetry ny andevo zatra omena nefa misy tamby sy latsa. Ny
anjaran’ny zanaka dia ny misitraka sy misaotra amin’izay omen-dRainy azy .
« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra » Boky faha-6