Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Jona 2019
Asan'ny Apostoly 13,32 - 52
32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin'ny razana, 33 dia ny nahatanterahan'Andriamanitra izany tamin'ny zanatsika, raha nanangana an'i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin'ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany (Sal. 2. 7). 34 Ary ny amin'ny nananganany Azy tamin'ny maty, ka tsy hiverina ho amin'ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida (Isa. 55. 3). 35 Fa hoy Izy ao amin'ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao (Sal. 16. 10). 36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry* ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lò; [*Na. Fa Davida, rehefa nanompo ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry araka ny sitrapon'Andriamanitra] 37 fa Izay natsangan'Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò. 38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; 39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy. 40 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin'ny mpaminany hoe: 41 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza (Hab. 1. 5) 42 Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin'ny Sabata manaraka. 43 Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin'ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an'Andriamanitra no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. 44 Ary nony tamin'ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin'Andriamanitra. 45 Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain'i Paoly, sady niteny ratsy*. [* Gr. nanao blasfemia, izahao Mat. 9.3] 46 Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin'ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin'Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin'ny jentilisa izahay; 47 fa izao no nandidian'ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan'ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin'ny faran'ny tany Hianao (Isa. 49. 6). 48 Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin'Andriamanitra*; ary izay voalahatra ho amin'ny fiainana mandrakizay dia nino. [* Na: ny tenin'ny Tompo] 49 Ary ny tenin'ny Tompo dia naely eran'izany tany rehetra izany. 50 Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin'i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin'ny taniny. 51 Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin'ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma. 52 Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.Fandalinana ny
ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 13.32-52
Fampieritreretana roa
sosona sy fampaherezana ho antsika izay hita eto :
1-Fampieritreretana
voalohany
Jereo ny fahaizan-dry i Paoly manohana amin’ny alalan’ny andinin-tSoratra
Masina ireo fanazavana nomeny (and 33.34,35,41,47) . Moa tsy mahatsiaro lesoka tokoa isika amin’ny tsy fahaizantsika Soratra Masina toy izany indraindray ? Izao ohatra velona izao dia tokony hanaitra antsika hazoto hianatra sy hitadidy andinin-tSoratra
Masina kokoa hatrany ary hahay mampiasa izany .
2-Fampaherezana
Voalazan’ny and 43-44 maro no nino rehefa nitory an’i Jesoa Kristy ry i Paoly ary
tafangona teo hihaino
ny Tenin’ Andriamanitra avokoa ny tao
an-tanàna rehetra. Fahombiazana lehibe izany . Ary izany no fampaherezana ho antsika , fa tsy very maina akory ny fikelezantsika aina hitory an’i Jesoa .
3-Fampieritreretana
faharoa
Tsy araka izany
fahombiazana izany anefa fa toy ny fahombiazana indray aza no nanetsika
ireo fahavalo hanenjika an-dry i Paoly .
Efa hitantsika hatrany tato amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ny amin’izany
ka tsy tokony hahataitra . Ny
mampieritreritra dia ny filazana hoe : « Ary dia feno
fifaliana sy ny Fanahy Masina ny
mpianatra » (and52) fa tsy miferinaina .
« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra » Boky faha-8