Fandalinana ny Flazantsara araka an’i MATIO

Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Desambra 2019

Fandalinana ny Flazantsara araka an'i MATIO

Matio 11.20-30
20 Ary tamin'izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan'ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe: 21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny. 22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. 23 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. 24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminao. 25 Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. 26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao. 27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy. 28 Mankanesa at? amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. 29 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. 30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

Fandalinana ny Flazantsara araka an’i MATIO

Matio 11.20-30

Eto amin’ity perikopa ity dia asehon’i Matio fa tonga amin’ny fotoana isehoany amin’ny maha-Izy Azy i Jesoa . Tonga Izy haneho ny asetrin’ Andriamanitra ny tsi-finoana, ny tsy-fandraisana Azy ary ny antso manokana.

1-Tsy nino ireo tanàna any Galilia (20-24)

Nandany fotoana maro i Jesoa nivezivezy tao amin’ny tanàna tany Galilia: Kapernaomy , Korazina . Nomena tombony tamin’ny toriteny sy tamin’ny fahagagana ireo , nefa nandà ny androm-pahasoavana fanararaotra . Koa dia fitsarana mavaivay sy mahery vaika noho ny nanjo an’i Sodoma sy Gomora i Tyro sy Sidona no hanjo azy.

2-Tena nisy anefa ny nino (25-27)

Fa raha tsy nandray ny sasany , tena nisy kosa ny nandray dia ireo tondroin’i Jesoa hoe: »zaza madinika » , dia ireo olon-tsotra nandray tamim-pinoana ny teniny . Asan’ Andriamanitra ny fanambarana ny tenany ary amin’ny fo vonona hino no hisehoany . Anisan’izany ve ianao?

3-Ny antsom-panafahana nataon’i Jesoa (28-30)

Miantso ireo tsy afa-mitraka noho ny enta-mavesatra i Jesoa, dia ireo novesaran’ny lalàna maro nataon’ny Fariseo .Izay manatona an’i Jesoa amin ‘ny finoana dia hahazo fitsaharana , fanafahana amin’ny fiezahany sy ny entana mitambesatra aminy . Ary toy ireo omby roa iray zioga ka mifamatom-piainana, dia toy izany izay mitondra ny ziogan’i Jesoa : iray aina Aminy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6