Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA F

Mofonaina anio: Zoma, faha 05 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA F

Marka 1.1-14
1 Ny niandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra. 2 Araka izay voasoratra ao amin'Isaia mpaminany* hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao (Mal 3. 1); [*Na: ao amin'ny mpaminany] 3 Injany! misy feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan'i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany (Isa 40. 3), 4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. 5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. 6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby. 7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. 8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina. 9 Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana. 10 Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. 11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. 12 Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin*'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[*Gr. noroahin'] 13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA F

Marka 1.1-14

Pejy vaovao misokatra ho an’izao tontolo izao ity ambaran’i
Jaona Marka , nanoratra ity  Vaovao
mahafaly  na Filazantsara ity  .

1-Ilay nisava làlana
ny Filazantsara :

Tantara mifamatotra amin’izay voalaza any aminn’y Testamenta
taloha  ny fanomanana  ny fahatongavan’i Jesoa Kristy (Isaia 40.3).
Andriamanitra no naniraka an’i Jaona mpanao batisa  hisava làlana an’i Jesoa zanany (and2).
Manavao ny fanekena amin’ny olona ny RAY . Miantso ny olona hibebaka , izany
hoe : hiaiky ny helony ka hiala amin’ny làlana ratsy ka hiverina amin’
Andriamanitra i Jaona mpanao batisa. Izay mibebaka dia havelany heloka sy
handray ny Fanahy Masina (and7,8).

2-Natao batisa sy
nalaim-panahy i Jesoa

Vao manomboka ny tantara dia hafa kely ny nanolorana an’i
Jeso : « Zanak’
Andriamanitra
 » (and1). Nohamafisin’ny Rainy avy tany an-danitra izany
tamin’ny hoe : « Ianao no
Zanako malalako , Ianao no sitrako »
(and11) . Natao batisa tahaka
ny olona mpanota Izy na dia tsy mpanota aza mba ho afaka mamonjy ny mpanota.

Dia natosiky ny Fanahy ho any an-tany efitra i Jesoa mba
halain’i satana fanahy . Eto amin’izao tontolo izao no nahatongavan’ny Vaovao
mahafaly mba ho eto ihany  koa no nampandreseny
antsika , izay nandray an’i Jesoa ny fakampanahy  rehetra (and13 ).

« Raiso ny Tenin’
Andriamanitra
 » Boky faha -6