Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 3.20-35
20 Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy. 21 Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy. 22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an'i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan'ny demonia no amoahany ny demonia. 23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon'i Satana ahoana no famoaka an'i Satana? 24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany. 25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany. 26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny. 27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon'ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony. 28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak'olombelona amin'ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy* rehetra izay ataony;[*Gr.blasfemia; izahao Mat. 9.3] 29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin'ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, 30 satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy. 31 Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy. 32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao. 33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko? 34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! 35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 3.20-35

Niteny mivantana momba ny demonia na ny fanahy ratsy i Jesoa

1-Tandremo ny miteny ratsy ny Fanahy Masina

Samy milaza ny fahitany an’i Jesoa ny olona . Ny havany milaza fa « very saina « Izy (and21). Ny Mpanora-dalàna manao hoe : »manana demonia izy » (and 22) satria halany i Jesoa . Ny olona miteny hoe: « azom-panahy maloto Izy » (and30) . Raha ny Fanahy Masina ao amin’i Jesoa no lazaina fa « demonia« dia izany no atao hoe: « miteny ratsy« . Tandremo fa ho meloka mandrakizay izay manivaiva ny Fanahy Masina. Fantaro fa i Jesoa no Ilay Mahery (and30), mahavita mandroaka an’i Belzeboba sy ny demonia ka manafaka ny olona voagejan’i satana . Ny olona miteny ratsy ny Fanahy Masina dia izay mikiry handà ny asan’ny Fanahy Masina , izay mitaona hino an’i Jesoa .

2-Mandray ny mpino ho havany i Jesoa

Misahirana mihitsy ny reniny sy ny iray tampo amin’i Jesoa te-hikarakara azy . Manaraka Azy amin’ny fotoana rehetra mantsy ny vahoaka ka na ny fotoana hihinanany hanina aza tsy misy. Hoy i Jesoa momba izany : »ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy » (Jao 4.34) . Ary ho an’izay rehetra manao ny sitrapon’ Andriamanitra kosa dia raisin’i Jesoa ho Azy. Zanak’ Andriamanitra ianao satria nandray Azy. »Ny Fanahy dia miara-milaza ami’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika . Raha zanaka dia mpandova…mpiray lova amin’i Kristy  » (Rom 8.16,17 ).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6