Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 13 Aprily 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA
Marka 4.13-25
13 Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? 14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny. 15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. 16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana; 17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy. 18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, 19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. 20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. 21 Ary hoy Izy taminy: Moa entina* va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara? Tsy hatao amin'ny fanaovan-jiro va izy?[*Gr. avy] 22 Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. 23 Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 24 Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. 25 Fa izay manana no homena; ary ny amin'ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA
Marka 4.13-25
Nohaavain’iJesoa tamin’ny mpianatra ny lanjan’ilay « fanoharana ny amin’ny mpamafy ».
1-Ireo karazana olona tsy mihaino tsara
Fanoharana fanalahidy ity nataony voalohany ity.Raha mahazo tsara ny dikan’ity fanoharana ity dia hahazo ny dikan’ny sisa rehetra (and13).Asain’i Jesoa mihaino ny Tenin’ Andriamanitra isika. Nefa ireo karazana olona 3 voalaza mialoha eto ,tsy mba mihaino tsara. Ny tany amoron-dàlana dia olona tsy miraharaha ny Tenin’ Andriamanitra reny. Fa alain’i satana izany ary tsy mihontsona akory izy (and15). Ny tany be vato indray dia olona afa-po fotsiny amin’nyfisehoana ivelany fa tsy miditra lalina amin’ny Tenin’ Andriamanitra (and17) . Ary ny tany be tsilo dia olona mandray ny teny ihany, saingy namela ny fomba fanaon’izao tontolo izao hanempotra ny finoany. Ny olona tsy mety handray ny teny , tsy misy ho azony izay kely mba reny .
2-Ireo karazana olona mihaino tsara sy mizara
Rehefa raisina tsara kosa ny Tenin’ Andriamanitra dia mamokatra be tsy ampoizina amin’ny fiainantsika (and20), maonka mihamazava hatrany aminao ny teny renao satria toy ny jiro ny tenin’i Jesoa (and21). Noho izany , manaova fanahy iniana mihaino(and23) dia diniho izay teny renao », hoy i Jesoa (and24). »Izay mandre sy mihaino tsara dia ho olona hahay mizara.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6