Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Desambra 2019
Matio 5.31-48
31 Ary voalaza hoe: Na zovy na zovy no misaotra ny vadiny, dia aoka izy hanome an-dravehivavy taratasy fisaoram-bady (Deo. 24. 1). 32 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra misaotra ny vadiny afa-tsy noho ny fijangajangana ihany dia mampijangajanga azy; ary na zovy na zovy no manambady izay voasaotra, dia mijangajanga. 33 Ary koa, efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mianian-tsy tò, fa efao amin'i Jehovah ny fianiananao (Lev. 19. 12). 34 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza mianiana akory na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izany; 35 na amin'ny tany, fa fitoeran-tongony izany; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny Mpanjaka lehibe izany. 36 Aza mianiana amin'ny lohanao; fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. 37 Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy*.[*Na amin'ilay ratsy] 38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify (Eks. 21. 24). 39 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray. 40 Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao. 41 Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily* iray, mandehana miaraka aminy maily roa.[*Na: kilometatra] 42 Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodina izay te hisambotra aminao. 43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao. 44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va? 47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va? 48 Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 5.31-48
Ny fitondrantena manome voninahitra ny Raintsika any an-danitra.
1-Ny fahambonian’ny fanambadiana : tsy fihaonan’ny olon-droa fotsiny izany fa sehatra fototra amin’ny fanohizam-pahariana sy ny fikoloana ny taranaka sy ny maha-olona. Ny fandravana ny tokantrano dia mitovy amin’ny famonoana olona mihitsy . Ny mpianatry ny Tompo dia miaro ny fahamasinan’ny fanambadiana .
2-Fiteny : Ny fiteny tsotra sady marina no mendrika ny olona ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Rehefa eny dia eny ary rehefa tsia dia tsia . Andriamanitra irery no modely alain-tahaka amin’ny fanatanterahana fanekena . Ny teny tsotra sy mazava no fitenin’ny kristianina . Tsy miozona fa avy amin’ilay ratsy izany .
3-Ny momba ny tsara sy ny ratsy :
Ny herin’ny valifaty no rarana eto amin’ny and 38-42 ity ary ny momba ny fitiavana sy fanakahalana ny 43-48. Ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy mifototra amin’ny fiarovana fotsiny ny zo izay tokony hositrahan’ny olona fa ny fiainana amin’ny vanim-potoana vaovao hanjakan’ny fitiavana , fahalemem-panahy , faharetana ary fanetrentena. Raha zo fotsiny no iadiana dia mety hiafara amin’ny herisetra izany . Ny olona ara-nofo fotsiny dia mankamamy ny fahavoazan’izay tsy mitovy hevitra na firehana aminy . Ny fitiavana sy ny fifankatiavana kosa no soatoavina lehibe ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Io no mandrafitra fiaraha-miaina vaovao ( 46-47)
« Raiso ny Tenin’Andriamanitra « Boky faha-6