Fandalinana ny  Filazantsara araka an’i MATIO

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Desambra 2019
Matio 7,1 - 14
1 Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo. 2 Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. 3 Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao? 4 Ary ahoana no hilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin'ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin'ny masonao? 5 Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. 6 Aza omena ny alika izay masina; ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vato soanareo*, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo. [*perilanareo] 7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? 10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? 11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? 12 Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. 13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. 14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Anterin’i Jesoa  hatrany  fa ny mpianany  dia  manana adidy  telo , amin’ny tenany  , amin’ny namany  ary amin’Andriamanitra  izay fepetra takiana  ho an’izay ho ao  amin’ny fanjakan’ Andriamanitra

1-Ny  mpianatry ny Tompo  manoloana ny hafa(and1-6)

Tian’i Jesoa  raha mba mahay mandini-tena ka manala  ny diso  amin’ny tena aloha  vao manaisotra ny an’ny hafa. Manana adidy  hizara fahasoavana amin’ny namany  ny mpianatra nefa tsy maintsy  malina tsara . Misy  ireo karazan’olona atao hoe : « alika «  sy « kisoa » (olona mahay  mandray zava-tsoa).

2-Ny vavaka sy ny
lalàna volamena (and7-12)

Ny vavaka no fototry ny fiainana kristiana . Fepetra telo no takiana amin’izany : mangataka amin’ny finoana , voatondro  mazava ary amim-paharetana . Manana adidy  hanao  tsara ho an’ny namany koa ny kristianina . Io ilay « lalàna volamena »(and12)

3-Ny safidy  hiditra amin’ny làlana tery (and13-14)

Làlana tokana  ihany  no mankany  amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Ny làlana sy ny vavahady dia samy ety . Ilazana ny fibebahana , ny fandrosoana amin’ny toe-piainana masina , ny fandava-tena hanoherana ny  herin’ny nofo noho ny safidy  hino  sy hatoky an’i Jesoa Kristy izany.

« Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6