Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 10.24-42
24 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony. 25 Fa ampy amin'ny mpianatra, raha tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ny mpanompo, raha tonga tahaka ny tompony. Raha ny tompon-trano no nataony hoe Belzeboba, tsy mainka va ny ankohonany? 26 Koa amin'izany aza matahotra azy ianareo; fa tsy misy afenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. 27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina, dia ambarao eo amin'ny mazava, ary izay ren'ny sofinareo, dia torio eo ambonin'ny tampon-trano. 28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena] 29 Tsy varidimiventy* ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria] 30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. 31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. 32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 34 Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin'ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra. 35 Fa tonga Aho hampifandrafy olona amin'ny rainy, ary ny zanakavavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozanivavy; 36 ary ny ankohonan'ny olona ihany no fahavalony (Mik. 7. 6). 37 Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy. 38 Ary izay tsy mitondra* ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.[*Gr. mandray] 39 Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy. 40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy. 41 Izay mandray mpaminany, satria mpaminany izy, dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany; ary izay mandray olona marina, satria olona marina izy, dia handray ny valim-pitian'ny olona marina. 42 Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran'ny kapoaka ihany aza hosotroin'ny anankiray amin'ireo madinika ireo, satria mpianatra izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 10.24-42
Atrangan’i Jesoa eto fa tsy hitazam-potsiny Andriamanitra fa hiaro ny olony izay misedra ny mafy .
1-Ny tena vavolombelona (24-27)
Ny mpianatra izay hirahin’i Jesoa dia ho vavolombelona haneho ny fahatsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra . Hizaka ihany izy ireo . Ny takina aminy dia ny ho vonona hiatrika izany amim-pahamendrehana. Misy farany ny zavatra rehetra fa izay natao tao amin’ny mangingina , mbola hanaovana antso avo ho ren’ny tanàna manontolo .
2-Ny fiarovan’Andriamanitra (28-31)
Mampahery i Jesoa fa eo anatrehan’ny herin’ny ratsy mampiasa herisetra hampahoriana ny mpianatra dia ampy ny fiarovan’ Andriamanitra . Raha sanatria ka afaka mamono ny vatana izy , tsy mahay mamono ny fanahy . Ka ny tsara dia aleo ho vavolombelona tsy mivadika amin’ Andriamanitra izay Tompon’ny teny farany .
3-Fepetra arahina amin’ny maha- vavolombelona (32-42)
-Tsy menatra ny maha- an’i Jesoa eo anatrehan’ny olona
-Tsy matahotra izay mety ho fananganan’ny fianakaviana ny tena ho fahavalo noho ny fanarahana an’i Jesoa!
-Vonona hamoy hatramin’ny aina aza ho an’i Jesoa
-Vonona hifanampy aamin’ireo mpianatr’i Kristy hafa koa!