Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 1.1-17
1 [Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy] Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy; 3 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama*; 4 ary Rama* niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona; [*Gr. Arama] 5 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese; 6 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria; 7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i Asa*; [*Gr. Asafa] 8 ary Asa* niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia; [*Gr. Asafa] 9 ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia; 10 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona*; ary Amona* niteraka an'i Josia; [*Gr. Amosa] 11 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona. 12 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela*; ary Sealtiela* niteraka an'i Zerobabela; [*Gr. Salatiela] 13 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora; 14 ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda; 15 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba; 16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. 17 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 1.1-17
Ny Filazantsara araka an’i Matio no manafoana ny fahanginana nandritra ny efa-jato taona eo anelanelan’ny Testamenta roa ka maneho ny fifampitohizan’ny faminaniana sy ny fahatanterahany ao amin’i Jesoa Kristy . Ity fitanisana ny firazanan’i Jesoa dia ahitantsika ireto :
1-I Jesoa Kristy no ilay hery manadio sy manafaka (and1-11)
Ny zava-dehibe eto dia izao : nandresy ny sakana Andriamanitra satria na lahy na vavy , eny fa na izay efa voaozona toa an’i Jekonia aza (Jer 22.30) dia azo raisina . Endrika famoahana avy amin’ny fahababoana ho tena fanafahana sy fanohizana ny taranaka vaovao ho amin’ny maha- Mpanjaka Azy izao . Porofon’ny famonjena ho entiny ho an’ny olona rehetra izany .
2-I Jesoa Kristy : Ivon’ny tantara (and12-17)
Ny fitohizana avy eo amin’i Davida ka hatramin’i Josefa ary ny fampidirana an’i Maria izay vehivavy mpandray anjara farany dia ahitantsika an’ Andriamanitra mitsofoka ao amin’ny tantara ka mitondra ho amin’ny tanjona vaovao dia ny fahatongavan’i Jesoa ho teny farany ao amin’ny taranaka taloha sy fidirana ho amin’ny taranaka vaovao .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6