Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Desambra 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO

Matio 2.7-23
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan'ilay kintana. 8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin'ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany. 9 Ary rehefa nandre ny tenin'ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin'izay nitoeran'ny Zazakely. 10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra. 11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora. 12 Ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy tsy hiverina any amin'i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin'ny fonenany. 13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tamin'ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny. 14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta; 15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin'i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain'i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako (Hos. 11. 1). 16 Ary nony efa fantatr'i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin'ny roa taona no ho midina, izay tao Betlehema sy tamin'ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin'ny Magy. 17 Dia tanteraka izay nampilazaina an'i Jeremia mpaminany hoe: 18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15). 19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tamin'i Josefa tany Egypta tamin'ny nofy ka nanao hoe: 20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin'ny tanin'ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain'ny Zazakely. 21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin'ny tanin'ny Isiraely. 22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia. 23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin'ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 2.7-23

1-Ny fikarohana nahafa-po (and7-12)

Hitan’ireo magy soamantsara i Jesoa ary ny fahitan’izy ireo Azy dia midika :a) fa tena mpanjaka mizaka ny fiandrianana hatreo am-pahaterahany Izy. b) ny fahazoan’ny hafa firenena hanana zo hisitraka ny famonjena entin’i Mesia ity. Izy ireo no niankohoka sy nivavaka voalohany taminy .

2-Ny fiarovana amin’ny endriny hafa:fandosirana tany Egypta (and13-15)

i Egypta dia toeram-piarovana sy famonjena ny mpanompon’ Andriamanitra hatramin’ny andron-dry i Abrahama sy i Jakoba. I Egypta dia mampahatsiaro koa ny fanandevozana ny Israelita.Ary toa an’i Mosesy fahiny , dia tonga i Jesoa hitarika « Eksodosy » vaovao, hamonjy ny olona ho afaka amin’ny fahotany ( 1/21).

3-Ny fandripahana ny zaza tsy manan-tsiny tao Betlehema (and16-18)

Ny fahoriana nitranga tao Betlehema dia fahatongavan’ny ratsy amin’ny faratampon’ny fahefany . Ny fanjakan’i Mesia kosa dia fiadanana sy rariny izay mifanohitra amin’izao fahalovana sy fanamparam-pahefana izao.

4-Ny fodiana any Nazareta (and 19-23)

Zava-dehibe roa no ambarany :a) i Nazareta dia mitovy amin’ny hoe: »tsimoka » (Isa 11.1/ Apo 22.16a) maha taranak’i Davida .b) ilazana ny fanekena fandaminana sy fiomanana amin’ny asa lehibe izao.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6