Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Desambra 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO

Matio 4.1-11
1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] 2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. 3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). 5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). 7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). 8 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, 9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. 10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). 11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 4.1-11

Ny fiomanan’i Jesoa ho amin’ny asa dia nandalo fanadinana sy fitsapana mahery vaika mba handrefesana ny fahamafisany na handrendrehana Azy koa.

1-Ny fakampanahy voalohany

Ny fakampanahy nataon’ny devoly dia nandranitana ny tsy fankatovana sy ny fatokiantena ho mahavita zavatra tsy miankina amin’ Andriamanitra . Ny vato ovana zavatra ho mofo ,famokisana miainga amin’ny herin’ny tena . Asehon’i Jesoa fa tena ilaina ny sakafo , kanefa ny Tenin’ Andriamanitra dia sakafo miantoka ny isanandro lafatra.

2-Ny fakampanahy voalohany

Ny fakampanahy faharoa dia tontolom-pahagagana tsy misy ny fiarovan’ Andriamanitra . Tiany ho lasa mpanao fampisehoana igagana i Jesoa, famonjena sy voninahitra tsy misy hazo fijaliana . Fanarahana ara-bakiteny sy anjambany ny Tenin’ Andriamanitra no tolo-tsainy.

3-Ny fakampanahy fahatelo

Ny fakampanahy fahatelo dia ny ho mpifehy izao tontolo izao amin’ny fomba tsotra : fandrika ho an’ireo malain-kisahirana ny fiankohofana amin’i satana amin’ny fananan-karena sy fahefana.Ny fandatsahan’i Jesoa ny Rany kosa no hanorenany ny fanjakany ary ny fandreseny no mariky ny fahefany . Ny fandreseny no mahatonga fiderana sy fiankohofana feno ho an’ny Rainy (amp Kor 15.57).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6