Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Desambra 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MATIO
Matio 4.12-25
12 Ary nony ren'i Jesosy fa efa voasambotra Jaona, dia lasa nankany Galilia Izy. 13 Ary nony niala tany Nazareta Izy, dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin'ny zara-tanin'ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, 14 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 15 Ny tanin'ny Zebolona sy ny tanin'ny Naftaly, Ao amin'ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Galilia, tanin'ny jentilisa, 16 Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1). 17 Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 18 Ary nony nitsangantsangana teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. 19 Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. 20 Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. 21 Ary raha mbola nandroso Izy, dia nahita olona mirahalahy hafa koa, dia Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay niara-nipetraka tamin'i Zebedio rainy teo an-tsambokely ka namboatra ny haratony; ary niantso azy mirahalahy Izy. 22 Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. 23 Ary Jesosy nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona. 24 Ary niely eran'i Syria ny lazany, ka dia nentin'ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon'ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka* sy izay mararin'ny androbe ary ny mararin'ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.[*Demoniaka = olona nidiran'ny demonia; izahao Mat.7.22] 25 Dia nanaraka Azy ny vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary ny avy tany an-dafin'i Jordana.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO
Matio 4.12-25
Asehon’ny mpanoratra ny Filazantsara fa miainga amin’ny drafitra mazava ny asa fanompoan’i Jesoa.
1-Mahazo anjara masoandro avy amin’i Jesoa i Nazareta , tanàna nahabe Azy (and12-17) mba tsy ho « tompontrano mihono » amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra . Ireo tanàna nambaniana no nanombohan’i Jesoa ny asany mba hasandratra sy omem-pahasoavana . Ny hafatra lehibe ampitain’i Jesoa dia antso tokana , dia ny FIBEBAHANA , izay fiovam-po amam-piainana mahery vaika , fepetra takiana amin’ny fandraisana ny famonjena sy fidirana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
2-Ny niantsoan’i Jesoa ny mpianatra (and18-22)
Marihana fa lehilahy avy any Galilia , avy amin’ny tany maizina sy nambanian’olona (tambanivohitra) ny ankamaroany , ary olona tso-po amam-piainana , vonon-kanaraka tsy misy fepetra .Nantsoina ho iraka izy ireo ka tsy maintsy hahafoy ireo tombotsoa nahazatra (asa, ankohonana, filaminam-piainana).
3-Ny asa nataon’i Jesoa (and22-25)
Nitory ny Filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra Izy. Tsy fampitam-baovao fotsiny fa fampidirana vanimpotoana vaovao izay hanehoana an’ Andriamanitra miasa , manafaka ary manome fianam-baovao ny olony . Ny asa mahagaga dia marik’izany fanatrehan’ Andriamanitra izany mba hanome fiainana feno.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-6