Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Janoary 2020

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 12,1 - 21
1 Tamin'izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana. 2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata. 3 Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, 4 Fa niditra tao amin'ny tranon'Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin'ny lalàna va fa amin'ny Sabata ny mpisorona ao amin'ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny? 6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly. 7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà (Hos. 6. 6), dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo. 8 Fa Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. 9 Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin'ny synagoga; 10 ary, indro, nisy lehilahy maty* tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin'ny Sabata? mba hiampangany Azy.[*Gr. efa maina, na malazo] 11 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? 12 Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. 13 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray. 14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy. 15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra; 16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy, 17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an'Isaia mpaminany hoe: 18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin'ny jentilisa Izy; 19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana; 20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; 21 Ary ny anarany no hitokian'ny jentilisa (Isa. 42:1-4).

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio  12.1-21

Vao  hitantsika teo amin’ny MAT 11.28 ny filazan’i Jesoa fa Izy  no fitsaharana (Sabata) ho an’ireo miasa fatratra sy mavesatra entana . Asehony  eto  ary  fa tompon’ny  sabata Izy ka :

1-Afaka mihinana
voambary notazana ny noana (1-8) 

Izao no olana eto : ny Fariseo manome lanja ny soratra , fa i Jesoa kosa mijery  ny aina sy ny fanahin’izay voasoratra. Ny lalàna dia natao  hiarovana ny aina . Koa raha noana ny mpianatra dia nioty  ny salohimbary mba hampitony  ny hanoanany. Andro famelomana sy hamindrana fo ny sabata fa tsy hanamelohana sy hamonoana  olona.

2-Afaka manasitrana
lehilahy  maina tànana (9-13)

Asehon’I Jesoa mazava eto fa olona gejain’ny hevi-dravina
ireto mpifikitra amin’ny sabata ireto. Fa ny ombiny latsaka an-davaka, akariny
na sabata aza, ny olona marary anefa rarany
tsy  hositranina amin’ny sabata.

3-Manome
fahafahampo  ho an’ny olona maro Izy
(4-21)

I Jesoa no tena fototry ny olana teo amin’ny Fariseo : ny fahafatesany no vahaolana . Mba tsy hahatanteraka izany  dia niala teo I Jesoa . Niala maina tsy nisy zavatsoa noraisina izay tsy  mino . Nomen’I Jesoa vahaolana sy fahafahampo  kosa izay  mino  tonga teo Aminy :”nositraniny  avokoa izy rehetra “. Fa Izy  no fahatanterahan’ny  faminanian’I Isaia ny amin’ny Mesia.

“Raiso ny Tenin’
Andriamanitra
” Boky faha-6