Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 9.14-32
14 Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15 Ary niaraka tamin'izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto? 17 Ary ny anankiray tamin'ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho et? aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin'ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. 19 Ary Jesosy namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento et? amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an'i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin'izay ny fanahy. Dia lavo tamin'ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan'izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino. 24 Ary niaraka tamin'izay dia niantso* ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin'ny tsi-finoako.[*Ampio hoe: sady nandrotsa-dranomaso]. 25 Ary nony hitan'i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon'ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesosy nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: izahay* tsy nahavoaka azy.[*Na:Nahoana izahay no] 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin'inona na amin'inona, afa-tsy amin'ny fivavahana* ihany.[*Ampio hoe: sy ny fifadian-kanina]. 30 Dia niala teo izy ka nizotra namaky an'i Galilia, ary tsy tian'i Jesosy ho fantatry ny olona izany. 31 Fa nampianatra ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ny Zanak'olona dia hatolotra eo an-tànan'ny olona ka hovonoiny; ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana rehefa afaka hateloana. 32 Fa izy ireo tsy nahafantatra izany teny izany sady natahotra hanontany Azy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 9.14-32

Nanatona an’i Jesoa ny lehilahy iray , resy lahatra fa i Jesoa no hany afaka manasitrana , manafaka, mitsabo ny zanany , izay azon’ny aretina hatry ny fony mbola zaza : « Mpampianatra ô , nentiko ho ety aminao ny zanakolahy , izay azom-panahy moana » . Mampianatra antsika izao Tenin’ Andriamanitra izao tsy hisalasala hanatona an’i Jesoa , tsy ho variana amin’ny adihevitra tsy ahitam-bokatsoa,, mandany andro fotsiny , fa hihaona sy hiresaka Aminy mivantana mihitsy : « Hainao hoe » ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino  » , hoy i Jesoa . Ny finoan’ny rain-drazazalahy no nadrasan’i Jesoa taminy : « Mino aho , vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako » (sady nandrotsa-dranomaso. Niasa i Jesoa : « niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: « Ry fanahy moana sy marenina, izaho mandidy anao : mivoaha aminy , ka aza miditra ao anatiny intsony » . Sitrana ilay zazalahy na dia « efa toy ny maty ka dia nataon’ny maro hoe: maty » aza .

Mety manana olana saro-bahana izaho sy ianao . Toy ny efa maty mihitsy aza angamba . Aza misalasala manatona an’i Jesoa Kristy anio hanafahany , hitsaboany ,hanasitranany antsika amin’izany . Mitenena Aminy anio : »Mino aho , vonjeo aho mba ho afaka amin’ny tsi-finoako » . Minoa fa ho sitrana ianao!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6