Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 01 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

MARKA 9.33-51
33 Ary tonga tao Kapernaomy izy; ary rehefa mby tao an-trano Jesosy, dia nanontany ny mpianany hoe: Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana? 34 Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin'izay lehibe indrindra. 35 Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy. 36 Ary nandray zaza Izy ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza, dia hoy Izy tamin'ny mpianany: 37 Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy. 38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. 39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. 40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran'ny kapoaka hosotroinareo, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany. 42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin'ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy. 43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo*, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina. [* Gr. Gehena] 44 * [* Ampio hoe: any amin'ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] 45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo. 46 * [*Ampio hoe: any amin'ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina] 47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo; 48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina. 49 Fa samy ho voasira amin'ny afo izy rehetra*.[*Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina] 50 Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

MARKA 9.33-51

Mampianatra sy mitaona antsika i Jesoa Kristy eto ho modely sy fitaratra alain-tahaka amin’ny fanetrentena, ny fihavanana amin’ny olona rehetra, ka ohariny amin’ny toetry ny zaza izany. Manetry tena ho amin’ny asa fanampiana ka ho mpanompo hatrany , tsy mizahozaho na miseho ho mahay noho ny hafa: »Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’izy rehetra sy ho mpanompon’ izy rehetra izy ».

Manaiky hiara- hiasa amin’ny olona rehetra ny mpanompo , tsy hanilika na iza na iza fa: « Na zovy na zovy no mandray ny zaza iray tahaka itony amin’ny Anarako , dia mandray Ahy , ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia tsy mandray Ahy fa izay naniraka Ahy » . Ny fandraisana an’ i Jesoa dia midika fa hanao zava-dehibe ny fiaraha-miasa anatin’ny fahasamihafana , voiziny mafy fa tsy misy tombotsoa na kely aza amin’izay mety ho endrika fahalavoana ,na fahatafitohinana na fiverenan-dàlana ho an’ny hafa. Taominy araka izany izay rehetra manara-dia sy manompo Azy hanaisotra izay rehetra mety hitondra na miteraka fahatafitohinana eo amin’ny asa fanompoana an’ Andriamanitra. Mitaona ahy sy ianao àry i Jesoa anio : »Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo »

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6