Fandalinana ny Filazantsara araka an’i Marka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i Marka

MARKA 10 .1-22
1 Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin'ny sisin-tanin'i Jodia sy tany an-dafin'i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i Marka

MARKA 10 .1-22

Manaiky mihaino sy miresaka ary mamaly ny hetahetan’ny olona mandrakariva i Jesoa Kristy . Fanontaniana ROA samihafa tsy misy ifandraisany no natao taminy eto :

-« Mahazo misao-bady va ny lehilahy? » Tsy nihambahamba akory Izy eto manontany izay efa fantatr’izy ireo ny amin’izany fanambadiana izany . Hoy izy ireo : « navelan’i Mosesy hanoratra taratasy fisaorambady ny lehilahy ka hisao-bady « . Nahitsiny sy nampianariny indray fa: « izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahan’olona »

« inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay ? » . Nihevitra Ralehilahy fa ny fahafantarany sy ny fitandremany ny didy hatry ny fony mbola kely dia ampy amin’ny fanarahany ny Tompo , na handovany ny fiainana mandrakizay . Hoy i Jesoa : « Diso zavatra iray loha ianao, mandehana amidio izay rehetra anananao, ka omeo ny malahelo , dia hanana rakitra any an-danitra ianao , ary avia hanaraka Ahy« .

Misarika antsika izao Tenin’ Andriamanitra izao hiezaka hianatra sy hiaina ny Tenin’Andriamanitra hahafahantsika hamaly ireo fanontaniana miendrika fihantsiana , hampianatra sy hanitsy ny olona amin’izay hevi-diso na fahazarana niainany , hanana fahasahiana koa.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6