Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alahady, faha 05 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 11.1-14
1 Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany Jesosy 2 ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin'izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento et?. 3 Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; dia havelany ho entina et? indray miaraka amin'izay izy. 4 Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan'ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy. 5 Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky? 6 Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain'i Jesosy taminy, dia navelan'ny olona handeha izy. 7 Ary nentiny teo amin'i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy. 8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha. 9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! 10 Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an'i Davida raintsika! Hosana any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26). 11 Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan'ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin'izay, dia niala Izy mbamin'ny roa ambin'ny folo lahy ka nankany Betania. 12 Ary nony ampitson'iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy. 13 Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina er? lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan'ny aviavy. 14 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 11.1-14

Asehon’i Jesoa eto fa ananany fahefana avokoa na ny olombelona na ny zava-boahary , tsy manam-pahefana manjakazaka , na mpanao didy jadona anefa Izy fa Mpanjaka malemy fanahy . Tsy mba soavaly mitrifana na mahery setra fitondra miady no nampiasainy na notaingenany :« Jesoa nitaingina azy » ( ny zanaboriky) (and 7), izay biby malemy fanahy .

Hafatra roa àry no tian’ i Jesoa Kristy hampitaina eto raha naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy :

-« vahao izy , ka ento ety » (and2) : te- hanaisotra ny fatotra , ny geja, ny sakana tsy hahafahan’ny olona manatona Azy i Jesoa ? te-hamonjy olona Izy.

-« Misy raharaha analan’ny Tompo azy » : ny hery , ny fahaizana amam-pahalalana , ny vola amin-karena, ny talenta, ny fotoana…eo an-tànanao dia ilain’ny Tompo ho fitaovana ho enti-miatrika ny asany .

Mikendry ny hahafahantsika hamaly ny hetahetan’ny mila vonjy i Jesoa : »noana Jesoa … kanjo nony tonga teo aminy ( aviavy anankiray mandravina) Izy , dia tsy nahita na inona na inona » (and12-13) . Tsy ho afaka hiatrika izany anefa isika raha tsy efa nanaiky hovahany ary ho fitaovana eo an-tànany . Meteza àry hiasan’ilay manam-pahefana malemy fanahy anio.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6