Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Talata, faha 07 Mey 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 12.1-17
1 Ary niteny taminy Izy ka nanao fanoharana hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana ary nanao tilikambo, ka nahofany tamin'olona mpiasa tany izany, dia lasa nankany an-tany hafa izy. 2 Ary nony tonga ny fotoana, dia naniraka mpanompo anankiray izy hankany amin'ny mpiasa tany handray amin'ny vokatry ny tanim-boaloboka. 3 Fa ireo nisambotra ilay mpanompo sady nikapoka azy ka nampiala azy maina. 4 Ary izy naniraka mpanompo anankiray koa ho any aminy indray, fa io koa, dia noratrainy ny lohany, ka nalany baraka izy. 5 Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty. 6 Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zananilahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy. 7 Fa izany mpiasa tany izany niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho antsika ny lova. 8 Ary rehefa nisambotra azy izy, dia nahafaty azy sy namoaka azy teo ivelan'ny tanim-boaloboka. 9 Koa ahoana no hataon'ny tompon'ny tanim-boaloboka amin'izany? Ho avy izy, dia handringana ny mpiasa tany, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. 10 Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masina izao: Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro; 11 Avy tamin'i Jehovah izao Ka mahagaga eo imasontsika? (Sal. 118. 22, 23.) 12 Ary nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa natahotra ny vahoaka izy, satria fantany fa ny tenany no nolazainy tamin'izany fanoharana izany; dia nandao an'i Jesosy ny olona ka lasa. 13 Ary nirahiny hankeo amin'i Jesosy ny sasany avy tamin'ny Fariseo sy ny Herodiana hamandrika Azy amin'ny teniny. 14 Ary rehefa tonga izy ireo, dia nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao, ka tsy mampaninona Anao ny hevitry ny olona, fa tsy mba mizaha tavan'olona Hianao, fa mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra. Mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia? 15 Handoa va izahay, sa tsy handoa? Fa Izy nahalala ny fihatsaram-belatsihiny, ka dia nanao taminy hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray denaria et? amiko hizahako azy. 16 Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An'iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An'i Kaisara. 17 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. Dia gaga taminy ireny.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 12.1-17

Mampita hafatra amin’ny alalan’ny fanoharana i Jesoa eto: Andriamanitra no Tompon’ny tanimboaloboka , ny mpaminany ireo nirahina , ny Jiosy ireo mpiasa tany ary i Jesoa Kristy Ilay Zanaka nirahina ka novonoin’ireo piasa tany .Naniraka sokajin’olona maro tokoa mantsy Andriamanitra hanambara , hampita ny hafany : »naniraka mpanompo izy hankany amin ‘ ny mpiasa tany handray amin’ny vokatry ny tanimboaloboka » (and2). Tsy nohenoina na noraharahaina anefa izy ireny fa nosamborina , nokapohina , nampialaina maina , noratraina ,nalana baraka . Ny zanany lahitokana mihitsy no nalefany tamin’ny farany , kanjo indrisy fa famonoana , fampijaliana aza no setriny : « ny vato izay nolavin’ny mpanao trano , dia izy no efa natao fehizoro » (and10).
Miezaka ny mampianatra sy manitsy mandrakariva anefa i Jesoa Kristy , fa na dia izany aza no miandry Azy sy ny mpanompony , dia hoy Izy : »Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara , ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra » (and17).
Misarika antsika àry i Jesoa Kristy hanome amin’ny asan’ Andriamanitra amin’ny fanompoana Azy . Tsy ho tompony mangataka atiny Izy eo anoloan’ny asany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6