Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 12.35-44
35 Ary Jesosy, raha nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, dia namaly ka nanao hoe: Ahoana no lazain'ny mpanora-dalàna fa Kristy no Zanak'i Davida? 36 Kanefa ny tenan'i Davida dia nampilazain'ny Fanahy Masina hoe: Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao (Sal. 110. 1). 37 Ny tenan'i Davida manao Azy hoe Tompo, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin'ny hafaliana. 38 Ary hoy Izy amin'ny fampianarany: Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain'olona eny an-tsena, 39 ary tia ny fipetrahana aloha ao amin'ny synagoga sy ny fitoerana aloha ao amin'ny fanasana, 40 ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa. 41 Ary raha nipetraka tandrifin'ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42 Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely* roa an-kevitry ny variroaventy avy.[*Gr. lepta roa, dia farantsakely varahina izany = kodranta iray = tokony ho variroaventy] 43 Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin'ny fandatsahan-drakitra. 44 Fa ireo rehetra ireo, dia tamin'ny haben'ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin'ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 12.35-44

Mpitsara marina tokoa i Jesoa Kristy fa tsy mitsara na mijery ny olona araka ny endrika , na fomba ivelany Izy . Mampitandrina àry Izy eto

: »Mitandrema ny amin’ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ny olona eny an-tsena , mandany ny tranon’ny mpitondrantena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana , ireo no hahazo fahamelohana , ireo no hahazo ny fahamelohana mafimafy kokoa » (and38-40). Tsy ny fitafianao , na ny fombafombanao ivelany no zava-dehibe amin’ny Tompo . Ny toetra amam-panahinao anaty mihitsy no ijeren’ny Tompo anao.

Maneho izany indray maka indray i Jesoa eto tamin’ny nilazany tamin’ny mpianany fa : » ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananana ny nandatsahany tao , fa izy (mpitondrantena malahelo) kosa tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany dia ny fivelomany rehetra » (and44) .

Mitaona antsika àry i Jesoa anio , hanavao fanolorantena , tsy ny eny ivelany na ny fijerin’ny hafa no hahatonga antsika eo amin’ny asa fanompoana sy fanolorantena fa tena ilay toe-panahy araka an’ Andriamanitra , Imanoela : Amintsika Andriamanitra mihitsy no hanosika antsika am-pitiavana sy amim-panetretena hiatrika ny fanompoana Azy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6