Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Mey 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 13.1-13
1 Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto! 2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana. 3 Ary raha nipetraka teo amin'ny tendrombohitra Oliva tandrifin'ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe: 4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany? 5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana] 9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 13.1-13

Maro ireo endri-javatra mety hitarika tahotra , fanahiana voatanisa eto : « Tsy avela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana, ady sy filazana ady, hisy mpamitaka, firenena hitsangana hamely firenena…horohorontany any amin’ny tany samihafa , hisy mosary, ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana …, hatolotra amin’ny synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ». Mitaona antsika i Jesoa : »Aza matahotra » (and7) , aza manahy (and11) eo anatrehan’izay mety hitranga sy hiseho amin’ny ho avy , efa tsara fampiomanana isika no sady manana Azy miaro , miahy , momba antsika . Misarika ny saintsika sahady miaro, momba antsika . Misarika ny saintsika sahady izany rehetra izany hatoky Azy. « Koa raha mitondra anareo hatolotra izy , dia aza manahy rahateo izay holazainareo, fa tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahy masina » (and11).
Mitarika antsika ny Tompo hatoky ary indrindra hino Azy mandrakariva . Tsy misy famonjena , fanavotana afa-tsy ao Aminy irery ihany na inona mitranga na inona miseho. « Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (and13). Mahareta!
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6