Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Talata, faha 16 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 5.21-43
21 Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy. 22 Dia avy ny anankiray tamin'ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin'ny tongony 23 ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana* izy ka ho velona.[*Gr. voavonjy] 24 Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy. 25 Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary* roa ambin'ny folo taona [*Gr. narary nandeha rà] 26 sady efa niaritra zavatra be tamin'ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; 27 koa rehefa nahare ny amin'i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. 28 Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana* aho.[*Gr. voavonjy] 29 Ary niaraka tamin'izay dia ritra ny loharanon'aretiny*, ka tsaroany tao amin'ny tenany fa sitrana izy.[*Gr. fandehanan'ny ràny] 30 Ary niaraka tamin'izay dia fantatr'i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan'ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? 31 Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? 32 Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany. 33 Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. 34 Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana* anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao.[*Gr. namonjy] 35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? 36 Fa tsy nahoan'i Jesosy izany teny nataony izany, fa* hoy Izy tamin'ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.[*Na: Ary nony ren'i Jesosy ny teny nataony, dia] 37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. 38 Ary dia tonga tao an-tranon'ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan'i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. 39 Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. 40 Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin'izay olona teo aminy ka niditra tao amin'izay nisy an-drazazavavy. 41 Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. 42 Dia nitsangana niaraka tamin'izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin'ny folo taona izy. Ary niaraka tamin'izay dia talanjona indrindra ny olona. 43 Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr'olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 5.21-43

Nampifanohizan’i Marka eto ny amin’ilay zazavavy 12 taona efa ho faty sy ny amin’ilay vehivavy iray nitsi-dra nandritra ny 12 Taona . Tranga roa samy hafa tanteraka ireo , kanefa mampieritreritra ny hoe: « marary efa ho faty ny zanakovavy kely » ( zanak’i Jairo mpanapaka ny Synagoga ) : 12 taona ary narary nandeha rà 12 taona ny vehivavy iray.

Na i Jairo na ilay vehivavy dia samy naneho toetra na fihetsika tsara alaintsika tahaka izay :

Fanetretena : »niankohoka teo amin’ny tongony , …na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko dia ho sitrana aho »

Fahasahiana nanatona an’i Jesoa Kristy : niangavy fatratra taminy , nankeo ivohony namaky ny vahoaka ».

Tena zava-dehibe ary tsara alain-tahaka ny faharesen-dahatr’izy ireo sy ny finoany fa i Jesoa Kristy IHANY no afaka mamaha ny olany , mamonjy sy manasitrana ny zanany na ny tenany . Tsy nisalasala na ilay marary mivantana na ny olona akaiky azy nanatona ny Tompo tamim-panetrena . Mitaona anao koa i Jesoa anio hoe: « Aza matahotra , mino fotsiny ihany  » .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6