Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 6.1-13
1 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany. 2 Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan'ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon'ny tànany izao? 3 Tsy ilay mpandrafitra, zanak'i Maria, ary rahalahin'i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy et? amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy. 4 Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin'ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany. 5 Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin'ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy. 6 Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra. 7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. 8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola* ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[*Gr. varahina] 9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. 12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. 13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 6.1-13

Maro , na dia ireo nanatri-maso ny asa sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy aza no tsy nino Azy . Niezaka hatrany anefa Izy nampianatra sy nanasitrana . Niantso na naniraka mpiara-miasa ary nanome fahefana azy ireo hamoaka demonia koa Izy . Izany hoe : hanasitrana sy hamonjy ay amin’ny toerana maro samihafa.

Misy ny fepetra ho an’ireo izay irahina :

-Tsy mandeha irery « naniraka azy tsiroaroa« 

-Mazava ny iraka : »hamoaka fanahy maloto » ( hanasitrana sy hamaha ny olan’ny olona) , « nitory fa tokony hibebaka ny olona « (hitaona ny olona hala amin’ny ratsy fanaony ).

-Mandeha am-pinoana sy am-patokiana an’ Andriamanitra feno : » tsy hitondra zavatra ho any amin’ny alehany , na hanina , na kitapo na vola ao amin’ny fehikibony afa-tsy tehina ihany . Fa asio kapa ny tongotrareo , ary aza mitondra akanjo roa ».

Izaho sy ianao , ilay mitonona ho kristianina dia antsoin’ny Tompo ho mpiara-miasa Aminy amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara , ny famahana ny olan’ny mpiara-belona izay miaina anaty fahadisoam-panantenana , fahaverezan-tsaina …Miantso ahy sy anao àry i jesoa Kristy ka ireo ny fepetra omeny antsika hiatrika ny asany .Mahereza!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6