Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Talata, faha 23 Aprily 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 6 . 30-44
1 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin'ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 6 . 30-44
Fomba fiasa manara-dalàna ny fanaovan’ny iraka tatitra amin’ny mpaniraka isaky ny avy nirahina. Tsy latsa-danja amin’izany ny mpianatry ny Tompo , ary nahavatra nitokana niaraka taminy koa izy ireo . Na dia tao anaty fialan-tsasatra aza anefa i Jesoa Kristy sy ny mpianany , raha nahita vahoaka betsaka nanaraka Azy Izy dia tsy nanilika azy ireo : nampianatra , nanome sakafo.

Mampianatra antsika i Jesoa Kristy eto fa:
-tsy mifidy fotoana (fotoam-pialantsasatra ) sy toerana (tany foana) ny asa fanompoana .
-tsy ara-panahy (fampianarana) ihany no atrehiny fa ny maha- olona manontolo koa : » omeonareo hanina izy«
-tsy miankina amin’ny eo an-tànana akory no hahazoana miatrika ny asa : « samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky«

Te-hihaona amintsika i Jesoa Kristy , tsy hoe : nahavita asa iray dia hatreo , fa maniraka antsika mandrakariva Izy . Tiany haseho eto fa ny fanekentsika nanome ny fotoana , ny fananana…ho amin’ny fanompoana Azy sy ny hafa dia hahatonga fahagagana ho anao sy ny mpiara-belona : »nangoniny izay sombitsombin’ny mofo sy ny hazandrano , ka dia nahafeno harona roa ambin’ny folo « . Manaiky ho mpiara-miasa Aminy ve ianao?
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6