Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Aprily 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 7.1-16
1 Ary niangona teo aminy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany, izay avy tany Jerosalema 2 ka nahita ny mpianatra sasany fa nihinan-kanina tamin'ny tanana tsy madio, izany hoe, tsy voasasa. 3 (Fa ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba mihinana, raha tsy efa manasa tsara* ny tànany, satria mitàna ny fampianarana voatolotry ny razana izy.[*Gr. sasàny amin'ny totohondry] 4 Ary raha avy any an-tsena, dia tsy mihinana izy, raha tsy misasa aloha. Ary misy fomba maro koa izay noraisiny hotanana, dia ny manasa kapoaka sy famarana* mbamin'izay fanaka varahina**.) [* Gr. sekstaria] [** ampio hoe: ary farafara] 5 Dia nanontany Azy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe: Nahoana ny mpianatrao no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana, fa mihinan-kanina amin'ny tanana tsy misasa izy? 6 Fa Jesosy nanao taminy hoe: Marina ny naminanian'Isaia anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony, Fa ny fony kosa lavitra Ahy. 7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). 8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona. 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! 10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, 12 dia* tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an'ny rainy sy ny reniny intsony izy,[*Na: dia voafehin'ny voadiny izy. Ary dia etc] 13 ka dia foananareo ny tenin'Andriamanitra amin'ny fampianarana voatolotra anareo, izay nasainareo hotandremana; ary zavatra maro mifanahatahaka amin'izany koa no ataonareo. 14 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy indray Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. 15 Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin'ny olona no mahaloto azy; fa izay mivoaka avy ao anatin'ny olona no mahaloto azy*. [*Ampio hoe:] 16 [Raha misy manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino]

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 7.1-16

« Nahoana ny mpianatro no tsy manaraka ny fampianarana voatolotry ny razana , fa mihinan-kanina amin’ny tànana tsy misasa izy? » .

Fanontanian’ireo Fariseo sy ny mpanora-dalàna tamin’i Jesoa Kristy izany eto. Mivantana sady mahitsy anefa ny fampianarany eto fa tsy ny fomba ivelany na fomban-drazana , na ny fampianaran’olombelona no zava-dehibe. Hoy mantsy Izy : « Mahafoy ny didin’ Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon’olona ». Mihatsaravelatsihy izany fa tahotra olona no hanaovana ny tsara.

Mitaona sy mitarika antsika àry i Jesoa Kristy : »Mihainoa Ahy ianareo rehetra , ka mahafantara » , izay hahazoana mihaino sy mamantatra ary miaina ny sitrapon’ Andriamanitra na ny didin’ Andriamanitra . Mampandini-tena antsika koa ny Tompo eto hahatsapa sy hahatsiaro araka izany fa ny fanompoana Azy dia tsy amin’ny fomba na endrika ivelany akory. Mankahala mafy ny fihatsarambelatsihy mantsy ny Tompo . Mitaky finoana latsaka anaty mihitsy Izy . « Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony , fa ny fony kosa lavitra Ahy  » « Fa tsy ny zavatra avy eo ivelany izay miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy ,fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy » . Meteza àry hihaino sy hankato ny baikon’i Jesoa Kristy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6