Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Aprily 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 7.17-37
17 Ary rehefa niala teo amin'ny vahoaka Izy ka niditra tao an-trano, dia nanontany Azy ny mpianany ny amin'izany fanoharana izany. 18 Ary hoy Izy taminy: Hay! ianareo koa aza mba tsy mahafantatra! Tsy fantatrareo va fa izay rehetra eo ivelan'ny olona ka miditra ao anatiny dia tsy mahaloto azy, 19 satria tsy miditra ao am-pony izany, fa ao an-kibony ihany, ka dia mivoaka ao amin'ny fivoahana; izany no nolazainy mba hahadio ny hanina rehetra. 20 Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. 21 Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, 22 ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy*, ny avonavona, ny fahadalana:[*Gr. blasfemia; izahao Mat. 9. 3] 23 izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy. 24 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. 25 Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony. 26 Ary jentilisa ravehivavy, avy amin'ny firenena Syro-foinika; dia nangataka taminy izy mba hamoaka ny demonia amin'ny zananivavy. 27 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ho voky aloha ny zaza; fa tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely. 28 Fa ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Eny, Tompoko; kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany. 29 Dia hoy Jesosy taminy: Noho izany teny izany mandehana ianao; efa nivoaka tamin'ny zanakao-vavy ny demonia. 30 Ary raha tonga tao an-tranony ravehivavy, dia hitany nandry teo ambonin'ny farafara ny zananivavy, ary ny demonia efa nivoaka taminy. 31 Ary Jesosy niala indray tamin'ny sisin-tanin'i Tyro, dia namaky an'i Sidona sy ny tany Dekapolisy ka nankany amoron'ny Ranomasin'i Galilia. 32 Ary nisy marenina sady raiki-dela anankiray nentiny tany aminy, ka nangataka taminy ireo mba hametrahany tanana. 33 Ary nitondra an-dralehilahy nitanila niala teo amin'ny vahoaka Izy, dia nangarona ny sofiny tamin'ny rantsan-tànany, dia nandrora ka nanendry ny lelany; 34 ary niandrandra ny lanitra Izy, dia nisento ka nanao taminy hoe: Efata, izany hoe: Maladia. 35 Dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran'ny lelany, ka dia nahateny tsara izy. 36 Ary nandrara ny olona teo Jesosy mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza; fa na dia norarany aza izy, dia vao mainka nampiely izany bebe kokoa. 37 Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe: Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra; fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 7.17-37
Te- hampianatra ary hisarika ny sain’ny olona i Jesoa Kristy fa maro amin’ny sitrapon’ Andriamanitra no tsy azon’ny olona amin’izao raha tsy Izy Jesoa Kristy mihitsy no manazava, manambara , maneho izany . Mazana ny olona no mandray an-tendrony ny hafatr’ Andriamanitra.
Ambara àry eto fa » izay mivoaka avy ao amin’ny olona dia izany no mahaloto azy« (and20). Tsy hoe : mahaloto na mahatonga fahotana amin’ny olona ny sakafo na ny toy izany izay ampidiriny avy eo am-bavany , fa izay aloaky ny vavany no maloto. Inona no resahinao isak’izay miresaka na miteny , izay no be ao am-po , avoaka satria tsy levona intsony (olana, ady, politika) ? izay novakianao , iainanao , jerenao , alehanao hatrany … dia hita taratra eo amin’ny fiteny , fihetsika, fomba…

Mivokisa àry ny Tenin’ Andriamanitra , « Dia nalady ny sofiny , sady voavaha ny fatoran’ny lelany ka dia nahateny tsara izy » (and35) , mba hahatonga ahy sy ianao hamoaka teny , fomba , fihetsika…mahatsiriritra, mahasarika ary mahatonga ny hafa ho resy lahatra amin’ny fitiavan’i Kristy sy ny asany : »talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe : tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra, fa sady mampahalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana » (and37).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6