Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 29 Aprily 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 9.1-13
1 Ary hoy Izy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery. 2 Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an'i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy, 3 ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin'ny tany mahafotsy toy izany. 4 Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin'i Jesosy. 5 Ary niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia. 6 Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra. 7 Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy. 8 Ary niaraka tamin'izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy. 9 Ary nony nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nandrara azy Jesosy mba tsy hilazalaza amin'olona izay zavatra efa hitany mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty. 10 Ary nitana izany teny izany izy ka nifampaka saina ny amin'izay hevitr'izany fitsanganana amin'ny maty izany. 11 Dia nanontany an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Lazain*'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha.[*Na: Nahoana no lazain'] 12 Ary Izy nanao taminy hoe: Elia dia avy aloha ihany ka mampody ny zavatra rehetra. Ary ahoana kosa no nanoratana ny amin'ny Zanak'olona fa tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinontsinona? 13 Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga Elia, sady nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony araka ny nanoratana azy.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 9.1-13
Mazana ny olona taitra amin’ny hita maso sy azo tsapain-tànana, mora roboka sy variana. Toy ny famantarana samihafa no manery na mitaona azy ho resy lahatra amin-javatra iray . Noho ny famantarana niainan-dry i Petera , i Jakoba ary i Jaona tao an-tendrombohitra niaraka tamin’i Jesoa Kristy izay nahatonga tahotra no nitenenan’i Petera tamin’i Jesoa hoe: « Raby ô , tsara raha mitoetra eto isika , ary aoka hanao lay telo izahay : ny anankiray ho Anao , ny anankiray ho an’i Mosesy , ary ny anankiray ho an’i Elia » (and5). Raha matahotra na manahy izaho sy ianao , iza no iantsampazanao? Ho tahaka ireto mpianatra ve ka maniry ny hitoetra , honina hiaraka amin’i Jesoa izay ambara hoe : IMANOELA = Amintsika Andriamanitra ) isika eo anatrehan’izany sa ho aiza na hila vonjy amin’iza?

Nasehon’ Andriamanitra Ray tokoa eto ny fiasany , ny fiarovany , ny fiahiany , ny fombany ny zanany: « nisy rahona niseho nanarona azy , ary dia nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe : »Ity no zanako malalako . Izy no henoy » (and7) . Miaro antsika Zanak’ Andriamanitra izay mihaino , mankato , manatanteraka tokoa ny teniny Andriamanitra , tahaka ny nataony tamin’ireo mpaminany , na dia eo aza ny fahafantarana fa »tsy maintsy mijaly mafy Izy ka hatao tsinotsinona » . Minoa àry an’i Jesoa Tompo, meteza hanjakany ! .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6