Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Mey 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 10.23-34
23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin'ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin'ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny matoky ny harena amin'ny fanjakan'Andriamanitra! 25 Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy* hoe: Iza indray no azo hovonjena?[* Na: nifampilaza]. 27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra. 28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. 29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, 30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. 31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany. 32 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin'ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy 33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa; 34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 10.23-34

Miresaka sy mampahatsiaro ny mpianany indray i Jesoa Kristy ny amin’izay takina sy andrasana amin’ireo te- hanara-dia Azy :ny fahafoizana ny zavatra « …tsy misy olona efa nahafoy trano , na rahalahy , na anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay » (and29-30), ny fanetretena: « nefa maro izay voalohany no ho farany , ary izay farany no ho voalohany » (and 3I) ary ny faharetana sy fiaretana ny zava-tsoa ny zava-tsarotra : » ny zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy mpanora-dalàna , ary hohelohina ho faty Izy…, ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy » (and33-34).

Tsy hahay na hahavita ny hahafoy ny zavatra rehetra , ny hanetry tena, ny haharitra sy hiaritra ny zava-tsarotra amin’izao anefa ny mpanara-dia Azy, raha tsy miankina , mametraka ny fiainany sy ny fanolorantenany , miantehitra tanteraka amin’ilay Andriamanitra mahay ny zavatra rehetra Iizy: »...fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra » . Ankino Aminy àry ny momba anao rehetra.
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6