Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 11 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 13.14-37
14 Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia. 15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony. 16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany. 17 Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! 18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany. 19 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. 20 Ary raha tsy nohafohezin'ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany. 21 Ary amin'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, et? Kristy, na: Indro, er? ; aza mino ianareo. 22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana*, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.[*Na: hatsangana] 23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra. 24 Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, 25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. 26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra* hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[*Gr. rivotra] 28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity] 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory] 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 13.14-37

« Mitandrema, miambena (= miareta tory ) ka mivavaha , fa tsy fantatrareo izay ihavian’ny fotoana »(and33) .

Baikon’i Jesoa Kristy izany eo am-piandrasana ny fiaviany indray:

-« Mitandrema » (miverina indroa) (and 23,33) : aoka ho malina sy mahina ianareo amin’ ny Kristy sandoka sy mpaminany sandoka » izay mitondra fampianaran-diso , mitaona ny olona na dia ny olom-boafidiny aza ho: « Indro , ety Kristy na indro ery , misarika ny olona ho amin’ny tsy finoana sy ny rehak’izao fiainana izao ka mety hiverin-dàlana na hanaotao foana.

-Miambena (miverina indroa) (and33,35) : aza variana anaty aizina , aza sondriana amin’ny olana samihafa ( fahoriana , aretina , fahasahiranana , tsy fahafaham-panadinana, ady , loza, fahadisoam-panantenana…) , miareta tory, mifohaza, miandrandrà ny lanitra ka amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra (and 26).

Mitaona antsika i Jesoa Kristy eto hitandrina sy hiambina ka hivavaka , izany hoe : hifandray tsy tapaka amin’ny Tompo , hifamatotra sy hiantehitra ary hihavana amin’ Andriamanitra . Mety ho resin’i satana fahavalo (resin-tory) tokoa mantsy isika eo am-piandrasana izany , fandrao avy tampoka izy raha tsy miray amin’i Jesoa Kristy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6