Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Mey 2019
Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA
Marka 10,35 - 52
35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona an'i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao. 36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo? 37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny an-kavianao, any amin'ny voninahitrao. 38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Ahy batisa? 39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; 40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena. 41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'i Jakoba sy Jaona izy. 42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken'ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy. 43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. 44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon'izy rehetra. 45 Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro. 46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo. 47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko! 48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. 50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy. 51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko. 52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA
Marka 10.35-52
Inona no ataonao (tianareo) hataoko aminao (aminareo)? ». Fanontaniana nataon’i Jesoa tamina sokajin’olona roa samihafa ireo eto : i Jakoba sy i Jaona etsy andaniny , i Bartimeo jamba mpangataka etsy ankilany . Samy nanatona an’i Jesoa Kristy izy ireo , iretsy voalohany , nitady voninahitra sy hotompoina ; ity faharoa kosa nangataka famindrampo na fanasitranana.
Tian’ny Tompo hampitaina àry fa ny manetry tena sy mino Azy no mahazo famonjena , fanasitranana izay angatahin amin’ny Tompo . Ilay jamba da resy lahatra amin’ny fanatonana Azy na inona hihatra na inona hidona » Ary maro no niteny mafy azy mba hangina , fa vao mainka niantsoantso izy » (and48). Izany no takin’i Jesoa amin’izay mila vonjy Aminy : « niantsambotra nankeo amin’i Jesoa …Rabony ô ! ny mba hampahiratina ny masoko » (and49-50). Mitaona antsika rehetra koa anefa hanaiky ho iraka fa na misy aza ny resy lahatra , raha tsy manaiky hiantso azy ireny isika dia ho zava-poana ihany izany : »Antsoy ilay jamba, ary ny olona niantso azy » (and 49).
Miara-miasa araka izany ny fanekentsika ho irak’i Jesoa hiantso ny hafa mila vonjy Aminy sy ny olona resy lahatra sy mino fa i Jesoa ihany no afaka mamindra fo aminy : »Mandehana ianao , ny finoanao no efa namonjy anao ».
Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6