Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Mey 2019

Fandalinana ny Filazantsara araka an'i MARKA

Marka 12,18 - 34
18 Ary ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, dia nisy sasany tonga teo aminy ka nanontany Azy hoe: 19 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin'ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). 20 Nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba. 21 Ary ny faharoa nampakatra an-dravehivavy, dia maty momba koa; ary ny fahatelo dia toy izany ihany koa. 22 Ary izy fito mirahalahy dia samy maty momba avokoa. Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 23 Koa amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza moa ravehivavy, satria efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy? 24 Ary hoy Jesosy taminy: Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin'Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo? 25 Fa amin'ny hitsanganana amin'ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. 26 Ka ny amin'ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin'ny bokin'i Mosesy, eo amin'ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan'Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'isaka ary Andriamanitr'i Jakoba? (Eks. 3. 6.) 27 Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an'ny velona; koa diso indrindra ianareo. 28 Dia nanatona an'i Jesosy ny mpanora-dalàna anankiray, izay efa nahare ny niadiany hevitra tamin'ny Sadoseo ka nahalala fa namaly azy tsara Izy, dia nanontany Azy hoe: Ny didy manao ahoana no voalohany amin'izy rehetra? 29 Ary Jesosy namaly hoe: Ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; 30 koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra (Deo. 6. 4, 5). 31 Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao (Lev. 19. 18). Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo. 32 Ary hoy ilay mpanora-dalàna taminy: Marina izany, Tompoko; tsara ny nilazanao fa iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. 33 Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany. 34 Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 12.18-34

Mampahatsiaro indray i Jesoa Kristy eto ny fahadisoan-kevitry ny olona noho ny tsy fahaizana ny Tenin’ Andriamanitra : » tsy Andriamanitry ny maty Izy fa an’ ny velona  » (and17) , ka nahatonga ady hevitra tsy ahitam-bokatsoa izany mazana . « Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra masina sy ny herin’ Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo?

Miezaka mampianatra mandrakariva i Jesoa Kristy .Tsy ireo mpanora-dalàna fahizay ihany anefa no iantefan’izany fa isika velona ankehitriny indrindra koa . « Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny herinao rehetra  » (and30) ary « tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (and31) . Mampianatra antsika i Jesoa fa izay fomba sy endrika itiavantsika ny hafa dia izany koa no hanehoantsika ny fitiavana an’ Andriamanitra . Fomba sy endrika ivelany ihany ny fanatitra fa  » ny ho tia ny namana tahaka ny tena , dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany » .

Mitarika antsika i Jesoa hamantatra fa hita taratra sy tsapa eo amin’ny fiainana andavanandro sy ny fifandraisantsika amin’ny hafa ny fitiavana an’ Andriamanitra . Aza miseho ivelany àry fa ataovy toe-piaina izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6